Isan’ny niteraka resabe teo anivon’ny fanjakana HVM ( Hery vaovao ho an’i Madagasikara) ny fampihavanana ny foko Zafisoro sy ny Antefasy tamin’ny zoma sy ny sabotsy faha 18 -19 martsa lasa teo. Misy tamin’ny mpikatroka HVM mihitsy no nanao izay tsy hahatanteraka iny fampihavanana iny ka nandefa ny ben’ny tanàna avy ao Manakara iray hanome vola ny mpanjaka Zafisoro tsy handeha hanao ity fampihavanana ity. Tsy nahomby anefa izany tetika izany fa nizotra araka ny tokony ho izy ihany ny lanonana rehetra. Raha ny loharanom-baovao azo tamin’ity raharaha ity dia ny HVM izay tsy mankasitraka an’ingahy Ravelonarivo Jean praiminisitra no nanao ny fomba rehetra tsy hahatanteraka iny fihaonana iny. Ny anton’izany hono dia ny hanafainganana ny fanesorana azy tsy ho Praiminisitra intsony. Fa isan’ny nanaitra ny mpanaraka ny vaovao tamin’iny raharaha tany Farafangana iny ny momba ny seza nipetrahan’ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo sy ny filoha Hery Rajaonarimapianina. Ny praiminisitra nipetra teo ambony seza “fauteuil cuir” mainty, ary i Hery Rajaonarimampianina izay filoham-pirenena indray dia teo ambony seza hazo( seza hazon’ny trano fihinanana )
ireny. Dia anjarantsika no milaza ny fomba fahatakarana izany. Sao dia diso ary ny arofenitra tamin’ny fametrahana azy roalahy ireo ?
Jesy Rabelaolao