Ny Hcdded dia tsy inona akory fa ilay Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. Rafi-panjakana mahaleotena voasoritry ny Lalàm-panorenana izy io.
Ny lalàna mampanangana azy dia manipika fa samy manolotra olona ao ny andrim-panjakana isan-karazany, ary manana solontena ao ny fiaraha-monina sivily sy ny mpanao gazety ary ny mpisolovava.
Ny an’ny Hcc sy ny holafitry ny mpanao gazety aloha no voafidy hatramin’izao. Ny an’ny firaisa-monina sivily no misavoritaka satria mitady lalana mafy hampanjakana ny olony ny HVm, dia iny niditra an-tsehatra mivantana iny ny ministeran’ny Serasera. Inona moa no idiran’ny fanjakana amin’ny raharahan-tokantranon’ny fiaraha-monina sivily?
Ny an’ny andrim-panjakana hafa dia mazava fa tsy maintsy olona ajadon’ny HVM no holanian’izy ireo.
Ny an’ny mpanao gazety tamin’ny zoma no miteraka resa-be eo anivon’ity tontolo ity.
Mampiahiahy ny mpanao gazety namana maro ny fihetsiky ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety izay mitsikombakomba mivantana amin’ny ministeran’ny Serasera izay tsy hafa fa voabaikon’ny Hvm.
Maro ny manontany hoe “inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety moa no nanehoan’i Randy Donny izany fiarovana ny demokrasia izany?” Tsy mitsipaka ny maha-mpanao gazety azy ny maro saingy ny nataony farany, raha ny hita dia izy mpanentana fandaharana na “animateur d’antenne”.
Nambaran’ny hainoaman-jerim-panjakana sy ny fahitalavitra TV Plus izay akaiky ny fitondrana koa fa “nisintona ny firotsahany hofidiana tamin’iny fifidianana ny solontenan’ny mpanao gazety iny Rtoa Razafimanantsoa Hanitra, tale jeneralin’ny “Agence Anta” Ity “Agence Anta” ity izay tsy hafa fa sampan-draharaha eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Serasera. Baikon’ny Hvm e!
Renay koa fa nisy mpirotsaka hofidiana tamin’ireo mpanao gazety no noteren’ny minisitry ny Serasera hisintona ny firotsahany. Toa hoe “fomba fotsiny sisa io fa efa vita ny fifidianana”.
Iny voka-pifidianana tamin’ny zoma teo anivon’ny holafitry ny mpanao gazety iny izany no nateraky ny fiarahan’i Randy Donny sy ny holafitry ny mpanao gazety ary ny ministeran’ny Serasera nanao lanonana teny amin’ny kianjan’ny kanto, indray sabotsy, herinandro vitsy lasa izay. Mazava ny resaka fa na olon-dRavalomanana aza ny filohan’ny Holafitra dia lalaovin’ny Hvm.
Raha fehezina dia tsy hisy fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna hisongadina eo satria ny fanjakana Hvm no manao ampihimamba ny mpikambana rehetra ao nefa ny fitondrana HVm no tokony harahi-lmazo amin’izany fanajana ny demokrasia sy ny fanjana ny tany tan-dalàna izany.
J.B.