Nalaza be tamin’ny fiandohan’ity taona ity ny hoe hisy hatrany amin’ny 65% ny fisondrotan’ny fisotroan-drononon’ireo niasa tany amin’ny tsy miankina, dia ireo mandray vola amin’ny CNaPS izany. Tamin’ny tapak’ity volana martsa ity àry no nandray izany fisotroan-drononony izany ireo zokiolona tao amin-dry zareo ary dia… diso fanantenana tanteraka fa ny “teo ihany no teo”, araka ny fitenenana, ny vola noraisin’izy ireo. Inona moa no azon’izy ireo natao fa dia nimonomonona fotsiny dia nody ê…
Mampalahelo ny zavatra toa izany, satria tsy hoe nangataka ka tsy nahazo izy ireo fa nampilendalendaina fotsiny. Nampilendalendaina hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena satria avy any ambony any ny “feo” no nidina, ary misimisy ihany io fisondrotana io raha izany 65% izany satria dia efa mihoatra ny antsasa-manilan’ny fandray hatramin’izay.
Maro be àry, raha tsy izy rehetra mihitsy, no mametra-panontaniana ny amin’ny hoe mba aiza ho aiza moa izany ny momba azy iny ê?... Mipetraka tokoa ny fanontaniana satria tsy misy izay fanazavana na koa filazana mazava na hotanterahina ihany izy iny na tsia. Nametraka fanantenana lehibe tamin’ireo zokiolona ireo mantsy ny nandrenesana azy iny, araka ny hoe tsy izy ireo no nangataka ka hoe “nitifitra ny lanitra mba ho nahavoazana ny tendrombohitra”. Raha ny nahenoana azy tamin’ny fotoan’androny dia ny mpitantana ny CNaPS mihitsy, hono, no nanana an’io fikasana hanondrotra ny vola fisotroan-dronono io. Raha izany tokoa no marina dia mba tiana ho fantatra ihany ny hoe iza, ary taiza, no nisy ny fisakanana azy ? Matoa tokoa mantsy ny mpitantana ny CNaPS, averina ihany ny hoe raha izay no marina, nnamoaka izany fikasana izany dia inoana fa manana ny hoenti-manana ho amin’izany izy ireo… Koa inona sy aiza àry no olana ê ?
Na ho 65% izy izany na ho amin’ny tahany toa inona dia miara-manaiky ny rehetra fa ilaina mihitsy io fampiakarana ny vola fisotroan-dronono io. Raha mitaha amin’ny an’ny mbola am-perin’asa mantsy dia betsaka kokoa ny vola mivoaka amin’ny zokiolona, kanefa kely dia kely no miditra amin’izy ireo. Mihena noho ny fandray tany aloha ny vola raisina rehefa mandeha misotro ronono kanefa mitombo ny vola mivoaka noho ny toe-pahasalamana efa marefo ka voatery mitazona ny aina amin’ny fanafody. Tsy misy tsy mahalala koa anefa fa nisondrotra dia nisondrotra ny vidin’ny fanafody tato ho ato izay.
Izany rehetra izany no hamerenana foana ny hoe samy mba te ho tratra antitra ihany koa tokony mba hasian’ny tomponandraikitra fiheverana ny amin’ny vola fisotroan-dronono ê.
Fomba fiteny fandre matetika ny hoe “ho avy tsy ho ela toa ny volan’ny CNaPS” fa ny amin’ity kosa ny mifanandrify dia ny hoe “any dia tsy hita toa ny fanondrotana hatrany amin’ny 65% ny fisotroan-drononon’ny CNaPS” ?...
Ampio re ny be antitra fa mba nahavita soa ihany matoa nomena ny zo handray fisotroan-dronono fa tsy voaroaka fony mbola tany am-perin’asa ê.
Aiza ho aiza hono ilay 65% an’ny CNaPS ? Any dia tsy hita ê…
Lalou