Anisan’ny fangatahan’ny ben’ny tanànan’i Farafangana tamin’ny lahateny nataony tao amin’ny kianja fanaovam-baolina tamin’ny fandalovan’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina ny sabotsy lasa teo ny fanarenana ny tranompokolona eto Farafangana. Miendaka ny tafony, tsy fantatra intsony ny lokon’ny trano ary zary lasa fametrahan’entan’ireo mpivarotra enta-madinika sisa ka lasa fanangonana voalavo sy korotam-by, izany rehetra izany dia midika fa tsy miasa araka ny tokony ho izy ity trano ity. Ilaina vokatr’izany ny fanatsarana ny fanarenana, manana safidy na tazomina ny endriny tamin’ny voalohany na ravana tanteraka mihitsy dia mamorina trano iray manara-penitra mifanaraka amin’ny vanim-potoana no sady afaka mampidi-bola misimisy kokoa. Raha ny tantaran’ny tranompokonolona kosa dia tamin’ny taona 1951 no nanorenana azy ka frera lazarista Henri Pujol izay manam-pahaizana manokana momba ny fanamboarana trano no nanao ny asa, tamin’ny taona 1954 no natao ny fitokanana, io frera jesoita io ihany koa ny nanao ny tranon’ny seminera sy ny sekoly masindahy Vincent de Paul samy eto Farafangana. Ny taona 1955 kosa no nandray fisorata-panambadiana voalohany dia ny an’i Pilaza Berthin sy Monique Ramanankavana. Tamin’ny taona 1959 kosa no nandray lanonana lehibe voalohany izay nandraisana ny “sous préfet” Malagasy voalohany ingahy Ranaivo Charles. Talohan’ny fahaleovantena dia manoloana ny tranompokonolona no nanatontosana ny matson’ ny andian-tafika. Tamin’ny nahazoana fahaleovantena dia najoro teo anoloan’ny tranompokonolona ny tsangambaton’ny fahaleovantena. Amin’izao fotoana dia tsy hita taratra ny tsangambato noho ny isian’ny ny trano mitsiry eo an-tsena, ny tranompokonolona mihasimba hatrany ka fotoana izao no hanatsarana ny tanàna no sady hamerenana ny hasin’ireto zava-bita izay lasa vakoka.
Morasata Marc