Fanambarana navoakan’ny vondron-kery Armada tamin’ny taon-dasa ny fitakiana fanatanterahana fifidianana filohampirenena mialohan’ny fotoana voafaritry ny lalàmpanorenana (élections présidentielles anticipées). Tsy re loatra ny tohin’izany fitakiana izany tao ho ao fa tamin’ny sabotsy teo, nandritra ny fihaonamben’ny sampana vehivavy eo anivon’ny vondron-kery “Malagasy Miara-Miainga” (MMM) dia nambaran’ny filoha nasionalin’ny “MMM”, Hajo Andrianainarivelo indray io hevitra io.
Raha ny lojika politika amin’izao fotoana aloha dia rariny sy hitsiny tokoa raha takiana izany fifidianana mialohan’ny fotoana izany satria sao tratra aoriana ny amin’ny 2018 ka ho ringan’ny fahantrana sy ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana Hvm eto ny vahoaka.
Ny adihevitra misokatra anefa aloha dia ny hoe “mbola azo itarafana ny tena safidim-bahoaka ve eto amintsika ny fifidianana?”
Ny fitondrana Hvm mantsy dia nanara-davahana hatrany fotsiny ireo raharaha maloto hatrizay fanaon’ny mitana ny fahefam-panjakana rehefa fotoam-pifidianana. Hosoka, hala-bato, fanovana ny voka-pifidianana, fanerena mivantana ny mpifidy ho tsy maintsy mandrotsaka ny vaton’ny kandidam-panjakana, fanangolena ara-bola ny mpifidy, izany hoe fividianana mivantana ny safidin’ny olom-pirenena, fandrahonana sy fampihorohoroana ara-politika na ara-nofo mihitsy ny tomponandraiki-panjakana any anivon’ny faritra sy distrika ary kaominina rehetra any ho tsy maintsy mampandany amin’ny fomba rehetra ny kandidam-panjakana sy ny maro tsy ho voatanisa e!
Tsarovy fa hatramin’ny andron’ny fanjanahan-tany, tany amin’ny taona 1952 tany dia ny fifidianana solombava tamin’ny 1956 no efa niseho lany ny hala-bato amin’ny endriny maro teto, ary notohizan’ny Pisodia (1965-1971), nolovain’ny Arema tamin’ny Repoblika faharoa (1982-1983-1989…°), notohizan-dRavalomanana tamin’ny 2006 sy 2007, ary izao, mbola ataon’ny Hvm farany teo izao.
Ny ahiana mantsy, ary adihevitra no sokafana eto, dia vao mainka varavarana mivoha sy lalana migodana hizoran-dRajaonarimampianina amin’ny fanamafisana ny toeram-pamoretany ny fifidianana takiana hatao mialohan’ny fotoana eto. Eny, na ny fifidianana hafa ho avy mihitsy aza, raha ny fanaony hatramin’izay no tohizany, ary tsy maintsy tohizany sy ampahombiaziny ho amin’ny tombontsoany tokoa moa. Ny antony dia mbola ny volam-panjakana lalaoviny sy ny fahefam-panjakana ampihariny bontolo sy an-keriny ary an-jambany ary ny herim-pamoretam-panjakana ampiasainy no hanjaka sy hibaiko ny voka-pifidianana, dia hitohy ny famoretany, ny fanamparam-pahefana amin’ny lafiny rehetra.
Ny vaomierampirenena misahana ny fifidianana io efa iarahantsika mahita fa mandohalika eo anoloan’ny fahefam-panjakana lalaovin’ny Hvm io. Ny rafitra hafa koa ireo izay hita fa ataon’ny Hvm ampihimamba, ka inona no antenaina amin’izany?
Noho izany, izahay dia mihevitra fa ny fandraisan’ny vahoaka ny fahefana amin’ny alalan’ny “demokrasia mivantana” no vahaolana. Masi-mandidy eto amin’ny zara-taniny nomen’
Andriamanitra azy ny vahoaka malagasy ka tsy ny fianakaviambe iraisampirenena efa mitsikombakomba maloto amin’ny mpitondra fanjakana nifandimby teto sy miara-mandroba ny harena misy eto, ary ny teti-pampahantrana hatrany ny vahoaka no homena rariny isanandro eto, amin’izay mety ho fitsivalanam-pandrin’izy ireo amin’izany fijoroan’ny vahoaka amin’ny “fanapoahana ny sarom-bilany” izany.
Fahantran’ny vahoaka malagasy: Aiza ireo fikambanana mitonona ho miaro ny zon’olombelona ?
Nikarakarana atrikasa manokana omaly ny momba ny fanaraha-maso ny tontolon’ny famarinana olona na fandefasana olona any ivelany hohandevozina. Mbola mitoetra izany, sao diso fihevitra isika (traite de personne) . Ireny tranga ka andehanan’ny vehivavy malagasy mankany Liban na firenena arabo hafa ireny dia endrika isehoan’izany.
Tafiditra ao anatin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona izy ireny. Ka ny atrikasa natao tetsy amin’ny Dlc etsy Anosy omaly dia nanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo sokajin’olona sy firaisamonim-pirenena misehatra amin’io asa fanaraha-maso ny famarinana olona io.
Ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny fandaharan’asa ho amin’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny avy amin’ny vondron-tany Sadc dia isan’ny nandray anjara tamin’io atrikasa omaly io.
Tsarabe ilay tarigetra fa ny mahavariana amin’ireny fikambanana mitonona ho miaro ny zon’olombelona ireny hatramin’izao dia tsy mba miraika afa-tsy amin’izay tranga na teboka mahasarika ny mason’ny “mpamatsy vola” azy ireny avy any ivelany. Ny nahazatra hatramin’izay dia ny zon’olombelona any am-ponja no mahamaika ny avy any ivelany, dia iny ihany no iasan’ny fikambanana Malagasy mitonona ho miaro ny zon’olombelona.
Tokony tsy hohadinoina fa any amin’ireo firenen-dehibe misy an’ireny mpamatsy vola ireny dia efa mandeha ho azy ny fanaraha-maso ny fanajana ny zon’olombelona amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka eny anivon’ny fiarahamonina, ka raha vao misy tranga mety hanohintohina an’izany zon’olombelona izany dia efa poa toa izay ny olom-pirenena sy fikambanana isan-tokony, mijoro sy maneho tsy fankasitrahana an’izany ary mamatotra andraikitra avy hatrany ny fanjakana mba hanao ny ezaka hanarenana iny tsy nety iny. Noho izany, ny zon’olombelona any am-ponja izay tsy misy mpahita firy sisa no ahiana mafy ka arahi-maso tsara any amin’ireny firenen-dehibe any ampita any ireny. Dia teren-dry zareo ho toa izany koa ny eto.
Izahay tsy milaza hoe “aoka tsy horaharahiana ny zon’olombelona any am-ponja”. Tsia. Ny zon’olombelona eo anivon’ny fiarahamonina andavanandro aza eto madagasikara tsy misy mpiahy, tsy misy mpanaja, ka azo antoka tsara fa mafy lavitra noho ny manjo ny olombelona eny anivon’ny fiarahamonina andavandro eny no manjo sy mihatra na iainan’ny any am-ponja.
Ny tian-kambara dia tsotra. Fantaro ary aza avela hipetrapetra-poana ny mpitondra fanjakana amin’ny fiahiana sy fampanajana ny zon’olombelona any am-ponja any, fa tsy afaka andraikitra hanatsikafona ny endri-panitsakitsahana ny zon’olombelona eo anivon’ny fiainana andavanandron’ny fiarahamonina ankapobeny koa ireo fikambanana mitonona ho miaro ny zon’olombelona.
Nahoana no tsy ahenoam-peo mihitsy ireny fikambanana ireny eo anoloan’izao fihomboan’ny fahantran’ny vahoaka izao? Sa tsy mba tafiditra ao anatin’ny zon’olombelona ny olana ateraky ny fahantrana? Nahoana no tsy miteny ireo fikambanana mitonona ho miaro ny zon’olombelona eo anoloan’ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitondra fanjakana ka miteraka tsy fisitrahan’ny vahoaka ny zony, na zo ara-toekarena na zony ara-tsosialy? Nahoana no tsy mba mivolana ireo fikambanana isan-tokony mizahozaho ho miaro ny zon’olombelona eo anatrehan’ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra fanjakana ka miteraka fahavoazana goavana amin’ny vahoaka? Jereo fa isan’izany ange ny firoboroboan’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana e! Taratr’izany tsy fahaiza-mifehy ny raharaham-panjakana izany ny tsy fahalavorarian’ny fiahiana ny ain’olombelona any amin’ireny toeram-pitsaboana isan-tokony ireny, tsy fisian’ny fanafody, tsy fahampian’ny mpitsabo, tsy fisian’ny fitaovana isan-karazany, sy ny sisa. Zon’olombelona no potika vokatr’izany. Toraka izany koa ny sehatry ny fampianarana.
Angaha latsak’izany ny akon’ny tsikombakomba maloto ifanaovan’ny mpitondra fanjakana amin’ireo vahiny amin’ny fandrobana ny harem-pirenena eto. Vola tokony hikarakarana ny fiainan’ny vahoaka nefa dia avelan’ny mpitondra fanjakana hiliban’ny vahiny fotsiny, ka ilay vahoaka tokony higoka ny mamy indray no lasa misotro ny kapoaka mangidy. Zon’olombelona voahitsakitsaka koa izany.
Maro tsy ho voatanisa e! Mbola tsy nisy anefa teto fikambanana mitonona ho miaro ny zon’olombelona ka mba niloa-bava nanao fanamarihana na nanakiana na nitsikera, eny tsy nisy nanameloka ny nahavanona an’izany rehetra izany.
Ralay