Fety nankalazaina tamin’iny herinandro iny koa ny andron’ny frankôfônia. Nitsinjatsinjaka eraky ny tanàna, nilanja saina maro loko daholo ireo zanaky ny Reny malala, niaraka tamin’ny olo-manan-kaja ambony, eny hatramin’ny minisitra aza. Mampalahelo!... Mampalahelo satria tsy hita ireo rehetra ireo tamin’ny fankalazana ny fetin’ny malagasy, dia ny taombaovao farany teo iny. Mba taia tokoa moa ry zareo ireo tamin’ireny fotoana ireny ê?... Menatra ny ho nankalaza ny soatoavin’ny Malagasy ve?...Aiza moa no tsy hataon’ny sasany hoe efa mandohalika eo anoloan’ny frantsay mihitsy isika itony?...
Sakay
- Détails
- Catégorie : Gasy