Nahazoana fanamarihana maro ny lahatsoratra navoaka teto omaly momba ilay tokony ho nisondrotan’ny fisotroan-drononon’ny CNaPS hatrany amin’ny 65% iny. Betsaka ireo zokiolona mpandray an’io fisotroan-dronono io no nisaotra tamin’iny fampahatsiahivana iny fa nisy koa ny nitondra fanazavana, dia ry zareo avy ao amin’ny CNaPS izany.
Ny nosoratana teto omaly dia ny hoe “Matoa tokoa mantsy ny mpitantana ny CNaPS (…) namoaka izany fikasana izany dia inoana fa manana ny hoenti-manana ho amin’izany izy ireo” izay nampiana ny hoe “Koa inona sy aiza no olana ê?” Mazava ny tiana ho nambara dia ny hoe tsy niteniteny foana na, sanatria, nanao fampanantenana poaka aty ry zareo ao amin’ny CNaPS raha namoaka an’iny “resaka” fa any ho any no misy ny tsy mazoto ny amin’izany.
Raha ny fanazavana azo tokoa àry dia efa ela ry zareo mpikarakara ny mpiasa tsy miankina ireto no namolavola an’izany NCPS, na “Nouveau Code de Prévoyance sociale” izany. Io NCPS io dia natao ho fanatsarana ny fiainan’ny mpiasa ka tsy ny vola fisotroan-dronono ihany no izany hampiakarina izany fa ao ihany koa ny volan-jaza, ny fiahiana ny ara-pahasalamana, sy ny sisa ê… Tsy tonga dia azo ampiharina anefa io NCPS io raha tsy nandalo sy neken’ny parlemanta roa tonta, dia ny antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona, rehefa natolotry ny fahefana mpanatanteraka azy ireo mba holaniana. Efa nalefan’ny CNaPS any amin’ny primatiora io NCPS, na raha hadika tsotsotra dia fandaharana asa ho amin’ny fiahiana ara-tsôsialy vaovao ho an’ny mpiasa io, ary iaraha-mahalala koa fa efa tafajoro ara-dalàna avokoa ireo antenimiera roa koa dia… miverina indray izany ny fanontaniana napetraka teto omaly hoe: inona ary aiza no olana ê?... Nahoana no mbola tsy, farafaharatsiny, nalefa teny Tsimbazaza izy izany?... Raha ny fiheverana mantsy dia tsy tokony hametraka olana amin’ny fitondram-panjakana ny fahalanian’io NCPS io, satria ny CNaPS izay hiantsoroka azy aza tsy niandry izay fitakian’ny mpiasa na ny mpandray fisotroan-dronono akory fa tonga dia nandroso azy io.
Araka izany dia alehan’ny sain’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ny hoe ny mpitondra mpanatanteraka mihitsy no minia tsy mandefa io volavolan-dalàna io mba holaniana. Raha toa mantsy ka lany io, ary ampiharin’ny CNaPS, dia inoana marimarina fa tsy maintsy hangataka, na hitaky mihitsy aza, ny hampiharana ny toa izany aminy koa ny mpiasampanjakana. Iaraha-mahalala anefa fa tsy hahafoy hanome an’izany tombontsoabe izany ho an’ny mpiasany mihitsy ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Ny 10% nomen’ny rehetra teo aloha aza tsy vitany fa zara raha 7,5% ihany no mba “zakany”, hono. Te hilaza ny mpanaraka ny raharaham-pirenena hoe dia ho ory hava-manana ve, sanatria, ireo mpitondra antsika ireo sa ahoana fa na ny vola tokony hanasoavana ny mpiray tanindrazana, izay tsy hivoaka avy any am-paosin-dry zareo aza sakanany ê?... Samy mba higoka an’ireo fisondrotana ireo ihany anefa rehefa atsy ho atsy. Sa ve efa ampy ny raisin-dry zareo amin’izao fotoana ka tsy hanan-java-mahaory intsony izy ireo rehefa antitra ê?... Asa?...
Araka izany no anitsiana ny voalaza omaly, dia ilay hoe “any dia tsy hita”. Ny tena marina dia mbola any io fikasan’ny CNaPS io ary mbola vonona ny hanatanteraka azy ireo farany fa… misy manitrika ilay izy ê.
Isaorana ny CNaPS fa dia mbola any ilay izy fa dia… miandry ny gasy ê.
Lalou