Anaovana izao hetsika isan-karazany sy fivelezana daba manerana ny nosy izao ny resaka fihaonana an-tampon’ny tany mampiasa ny teny frantsay na ny “sommet de la francophonie” fa tsy mahasarika ny sain’ny vahoaka malagasy mihitsy. Raha vao miresaka hoe “frankôfônia” mantsy dia i Lafrantsa hatrany no mby an-tsain’ny maro. I Lafrantsa izay nanjanaka ny vahoaka malagasy nandritra ny 120 taona izao, ary nampahantra azy toa izao, nandroba ny harenany, nanabado ny taranaka malagasy, sy ny maro tsy ho voatanisa.

Rehefa zohiana ny adihevitra manodidina ity fivoriana an-tampony nambara fa hatao eto Madagasikara amin’ny volana novambra ity dia hita fa tena mifanipaka ny fomba fijerin’ny mpandinika.

Ny andaniny izay momba anjambany ny fandraisana an’io fivoriana io ka mikimpy amin’ny fanohanana ny fitondram-panjakana. Ambara fa hoe io dia hahafahana manangana fotodrafitrasa eto, hamorona asa, hanatsara ny lazan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra maneran-tany amin’ny resaka fizahan-tany, sy ny maro.

Ny ankilany kosa dia manipika fa “midika ho tsy fananan’ny fitondram-panjakana teti-pampandrosoana maty paika izao ka zara aza misy an’io fivoriana hampiantranoana io mba

hananganana fotodrafitrasa sy hamoronana asa”. Isika ve izany dia tsy mba afaka hikarakara ny momba antsika raha tsy miandrandra fandraisana fivoriana toa io? Ary iza marina no tena mahazo tombontsoa amin’izy io? Ny vahoaka tokoa ve sa ny mpiara-mitsikombakomba amin’ny mpitondra amin’izy io?

Etsy ankilany, raha zohiana sy hadihadiana koa dia tsy isan’ny firenena mahafeno ny ambara hoe “miteny frantsay” isika Malagasy. Raha misy mantsy dia ny 10%-n’ny Malagasy ihany no miteny frantsay.

Ny firenena azo ambara ho miteny frantsay dia ireo zanatany frantsay tsy nanana ny teniny manokana, toa ny senegaly, ny Kongoley, ny ivoarianina, I kanada sy I Soisa izay firenena lehibe fa manana ampahany maro mampiasa ny teny frantsay.

Fa mbola mavesa-danja ho an’ny Malagasy maro koa aloha hatreto ny fibodoan’i Frantsa an’ireo Nosy malagasy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika sy ny fangejan’i Frantsa ny ampahany betsaka amin’ny fihariana eto Madagasikara.

Izany no isan’ny tsy mampiraika ny maro amin’io fivoriana io satria toa hanamafisan’i Lafrantsa ny fametrahana ny vahoaka malagasy ho eo ambany vahohony izy io.

Isan’ny ataon’ny mpitondra Hvm fitaovana hisarihana ny fankatoavan’ny vahoaka malagasy an’io fivorian’ny Frankôfônia hatao eto io koa mantsy izao ny hoe “hampidirina ho isan’ny lahadinika amin’io fivoriana io ny momba ireo Nosy malagasy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika”. Tsy sahin’ny fitondram-panjakana malagasy mihitsy anefa hatreto ny miteny hoe “nosy malagasy mbola bodoin’i Frantsa” na “nosy Malagasy eo ambany vahohon’i Frantsa”.

Tetiky ny mpitondra fanjakana Hvm hanehoan’ny vahoaka malagasy ny fankasitrahany an’io fivoriana io izany nefa vao mainka mampihemotra ny maro satria mibaribary fa sinema fotsiny.

Ny ahoana aza dia ny hanamafisan’io fivorian’ny Frankôfônia hatao eto io fa “an’i Frantsa ireo nosy ireo”.

Tokony tsy hohadinoina fa tamin’ny 1979 dia efa namoahan’ny Firenena Mikambana fehin-kevitra ireo Nosy ireo fa an’ny Malagasy”. Noho izany, tsy iadian-kevitra intsony ny hoe “tokony hambara ny maha-an’ny Malagasy azy ireo na tsia”. Ny adihevitra izao dia hoe “ahoana ny fomba hanerena an’i Frantsa hiala ao amin’ireo Nosy mbola bodoiny ireo?” Ho vitan’ny mpivory ao amin’ity fihaonana an-tampony hatao amin’ny volana novambra eto ity ve ny manery an’i Frantsa hilazany an’izany ?

Kely ny finoana.

Minisiteran’ny Serasera: Nataon’ny firaisamonim-pirenena afa-pofona

Tsy mitsahatra mitady irika hametrahana ny olona ao anatin’ilay filankevitra ambonin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ny Hvm.Ny rafi-pitondram-panjakana toa ny minisiteran’ny Serasera no ataon’ny Hvm fitaovana hampahombiazana izany. Dia iny fa nihazakazaka nampihatra jadona ny minisiteran’ny Serasera. Tsy nanaiky lembenana ny ho amin’izany anefa ny vondron’ny firaisa-

monim-pirenena satria tsy misy antony tokony idiran’ny fanjakana na ny minisiteran’ny Serasera, hoy izy ireo omaly tetsy amin’ny Cite Ambatonakanga ny raharahan-tokantranon’ny Firaisamonim-pirenena.

Tena azo ambara ho afa-pofona mihitsy omaly ity minisitera ity e !

Angaha, hoy ny olona sasany tao, holafitry ny mpanao gazety izahay ka hanaiky holalaovinareo?

Ny avy amin’ny sehatra iombonana ho an’ny fananan-tany, tamin’ny alalan-dRaparson Eric moa dia nametraka tamin’ny toerany manokana ny fitondram-panjakana tamin’ny teny feno fahendrena hoe “demokrasia no resahina ao anatin’ity Filankevitra ambony ho fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ity ka tokony ho ao anatin’ny fanajana ny demokrasia no hanatanterahana ny fifidianana an’izay ho olona avy amin’ny firaisamonim-pirenena”. Raha toa ka ny fitondram-panjakana no handidy sy hanapaka amin’izy io, hoy ihany i Eric Raparson, dia aoka tsy hasiana fifidianana fa izay tian’izy ireo no asaina atolony dia vita ny resaka.

Ny fivondronamben’ireo rafitry ny firaisamonim-pirenena aloha omaly dia naneho ny fahavononany hiray hina hatramin’ny farany ka tsy hanaiky lembenana fa hanohitra ny fitsabahan’ny hafa, toa ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera amin’ity raharaha iray ity sy ny maro mbola ho avy.