Tsy ny zanaky ny filoha ihany fa ny rahalahiny koa dia efa voatonona amin’ity fanaovana an-keriny amin’ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny mpitandro ny filaminam-panjakana amin’ny tanin’ olona fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ity. Izao indray dia re fa ny anabavin’ny filoha no mirotsaka an-tsehatra koa ary mitondra mpitandro ny filaminana any Bongolava any manao izany asa fandrobana ny tanin’olona fitrandrahana vatosoa sarobidy izany.

Vao tamin’ny zoma teto no namoahana ny fihetsika mitory fanamparam-pahefana nataon’ny rahalahin’ingahy Rajaonarimampianina Filohampirenena any amin’iny distrikan’ Antsirabe faharoa iny, momba ny fakany an-keriny ny tanin’ olona fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, dia indro indray koa izao izany fa voatonona ho manao an’izany any Bongolava any ny anabavin’ingahy filoha. Izany Lanto Rakotoarimanana izany. Amin’ izany koa dia mahagaga fa mitondra herim-pamoretam-panjakana mirongo fitaovam- piadiana izy manao ny asa malotony, ary tena ara-bakiteny ny hoe “an-keriny”.

Na ny zanaky ny filoha tany Anjozorobe sy ny toerana hafa toa ny any Ambatondrazaka, na ny rahalahiny any Antsirabe na ny anabaviny tany Bongolava izany dia samy mahazo tombony amin’ny fampiasana ny mpitandro ny filaminam-panjakana avokoa handrobana harem-pirenena eto.

Dia mampiteny ny moana mihitsy izao afitsoky ny fianakavian’ingahy Filoha izao e! Ary raha izao no mitohy fa tsy atsahatra haingana dia ho voaroban-dry zareo ny toeram-pitrandrahana hafa manerana ny Nosy.