Tonga eto Madagasikara tamin’ny talata faha- 22 martsa 2016 ny sekretera jeneralin’ ny frankôfônia ramatoa Michaëlle Jean. Omaly alarobia faha- 23 martsa 2016 dia nihaona tamin’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina ity ramatoa ity ny tapak’andro maraina. Ny tolakandro indray dia nijery ny kianja teny Andohalo izay nantsoina hoe « Zoma-n’ny frankôfônia » indray ity toerana ity, ho fahatsiarovana ny tsena zoma tao Analakely fahizay. Tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro dia nitokana ny tranon’ny frankôfônia tetsy Ambohitsorohitra, ao amin’ny trano ny foiben’ny antoko PSD teo aloha. Ity toerana ity dia hatao tranon’ ny frankôfônia aty amin’ny faritry ny ranomasina Indianina manomboka izao. Tamin’ny fitsidihana izay nataon’ity ramatoa sekretera jeneralin’ny tany miteny ampahany sy miteny tanteraka ny teny frantsay ity dia niaraka taminy hatrany ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina. Nisy koa ireo andrim-panjakana isan-karazany eto amin’ny firenena izay nahitana ny filohany tsirairay avy. Tamin’ny kabary izay nataon’i ramatoa Michaëlle Jean no namariparitany ny tanjona kendren’ny mpikambana ao amin’ny OIF na ny Frankôfônia ny tanjona izay tratrarin’ity fikambanana iraisam-pirenena ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary ny ho an’ny Madagasikara manokana amin’izao ho fanatanterahana ny fihaonana an-tampony hatao eto Madagasikara amin’ny faha-22 -27 novambra 2016 ho avy izao. Tamin’izany no nanoritan’ity ramatoa ity fa diso manan-karena loatra i Madagasikara ka tsy tokony hahantra velively. Manan-karena zavatra be dia be i Madagasikara hoy ihany izy raha namerina izany indroa mifanarakaraka toa ny harena an-kibon’ny tany sy an-dranomasina ary ny tontolo iainana izay mampiavaka manokana ity nosy ity eran’izao tontolo izao. Ny resaka kolotsaina sy ny sosialy ary ny fanabeazana izay iarahan’ny firenena 80 miteny tanteraka na ampahany manerana ny tany no voalaza fa iaingan’ny fampandrosoana ho an’ny mpikambana. Fanazavana izay azo lazaina fa ilaina sy mbola tokony hisiam-panazavana be dia be ho an’ny vahoaka malagasy. Azo lazaina fa tsy nisy mihitsy ny fanazavana ho an’ny vahoaka malagasy ny mahakasika ny OIF ity izay tokony hataon’ny fanjakana eo anatrehan’ny fiatrehana ny fivoriana an-tampony hatao eto Madagasikara izao. Efa tamin’ny taona 2014 no nahalalana fa hatao eto Madagasikara ity fihaonana an-tampony ity. Tao anatin’izay roa taona latsaka izay dia samy mandrirotra amin’izay tiany handroritana azy ny vahoaka malagasy manontolo. Samy milaza arakaraka ny eritreriny sy ny fahatakarany azy avy ny tsirairay. Vokatr’izany dia miteraka olana ara-tsosialy sy politika ity fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny OIF eto Madagasikara amin’ny volana novambra 2016 ity. Soa ihany fa tonga teto Madagasikara aloha i ramatoa Michaëlle Jean mba hitondra izany fanazavana izany alohan’ny hanombohan’ity fihaonana ity. Teo aloha dia aotra tanteraka ny serasera sy ny fampahalalam-baovao. Ialan’ny fanjakana tanteraka aza ny fanazavana izany. Amin’izao fahatongavan’ity ramatoa ity izao, izay volana vitsy alohan’ny fihaonana vao nanangana ny antsoina hoe “conseil national d’orientation du sommet de la francophonie” ny fanjakan’ingahy Hery Rajaonarimampianina izay tarihin’i Hugues Ratsiferana sy ramatoa Manorohanta Cécile ao amin’ny antsoina hoe “conseil scientifique, ary ingahy Mamy Rajaobelina izay “délégué Général”. Misy olona notsongaina hanampy azy ireo dia Ralala Roger, Ravelomanantsoa Elia, Andriambelo Dadou, Rabezandriny Hasina, Laza Andrianirina, Ranaivozanany Noro, Randriamifidimanana Laza, Rafidy Josielleary Lepine Eric. Misy koa ireo izay efa ao anatin’ny rafitry ny OIF, izay ahitana an’i Ratrimoarivony Ndriatiana, Rajoerinelina Lova, Rakotonirina Gérard, Bataille Phillipe, Rajeriarinalina Jaona Ely, Ravalomanana Lalao ary Pagès Sylvia.
Ao anatin’ny valo volana dia ho hitantsika indray ny asan’ireto olona voalaza eo ambony ireo. Raha tsy tonga teto izany ity sekretera jeneralin’ny OIF ity dia tsy nisy zavatra nataon’ny fanjakana malagasy eto amin’ny lafin’ny fitantanana sy ny fampandehanana ny raharaha. Midika izany fa tsy dia miraharaha loatra ity fihaonana ity ny mpitondra malagasy. Porofon’izany ny tsy fanomezam-baovao ara-potoana sy ara-dalàna mahakasika ity raharaha ity. Asa na mbola hiandry ny fivorian’ny parlemantera avy amin’ny OIF izay hatao eto Madagasikara amin’ny volana jolay indray vao hisy ny fanazavana manaraka. Inoana fa ny 90% ny Malagasy ihany hatramin’izao no mahalala ity fanatanterahana ny fihaonana tampony ny OIF ity. Dia ho hitantsika indray izay hataon’ity conseil natsangana ity.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao