Lohatenim-baovaon’ny hainoaman-jery eran-tany amin’izao fotoana izao ny mahakasika ilay asa fampihorohoroana nitranga tany Bruxelles, Belgique, izay nahafatesana sy naharatrana olona maro ny talata lasa teo. Loza “tsy roa aman-tany”, araka ny fitenenana izy iny ary nampihetsi-po an’izao tontolo izao mihitsy. Ny teto amintsika aza moa dia efa mandeha ny fanentanana ny amin’ny hanovana ny sary famantaran’ny tsirairay any amin’ireo tranonkalan-tserasera mba “hiray fo” ka hilaza tena ho teratany avy any Belgique. Tsy misy maha ratsy an’izany akory, saingy mba tiana holazaina ihany ny hoe sao dia te hanenjika “lamaody” fotsiny àry isika itony ê ?... Tsy hoe manao “vain-drahalahy tsy maharary”, sanatria, fa tiana hampahatsiahivina ihany ny hoe mba oviana moa ry zareo ireo no mba niombom-pahoriana tamintsika Malagasy ê ? Mba nahafoy “ariary” tany aminy ve ry zareo tamin’izay fahoriana nanjo ny gasy, na tondra-drano izany, na rivo-mahery, na koa kere, sy ny sisa ê… Soatoavina nampianarina sy noheverina hiainantsika anefa ny “fihavanana” koa ny tsirairay no aoka handinika, hoy ny namantsika izay.
Na izany na tsy izany anefa dia mba lasa ihany ny eritreritry ny manaraka ny raharaham-pirenena ny amin’ny hoe raha any amin’ny firenena eoraopeanina “goavana” toa an’i Belgique aza no itrangan’ny asa fampihorohoroan’ny silamo mahery fihetsika toa ireny, dia mba ahoana ny momba antsika ê ?...
Mipetraka ny fanontaniana raha mahita fa dia efa “nosokafana” mba hidiran’izay te hiditra rehetra ny habakabak’i Madagasikara. Efa noresahina teto amin’ity gazetintsika ity, ohatra, ny hoe tafiditra eto daholo ny” be volombava” sy ny misarona hatrany an-doha ka hatrany an-kitrokely rehetra, raha niresaka momba ny nahatafidiran’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabak’i Torkia teto amintsika. Tsy hoe fankahalana manokana an’ireo” be volombava” sy ny “misaron-doha hatrany an-doha ka hatrany an-kitrokely” akory no nahatonga izany fa tsy maintsy ekena kosa ny hoe ao amin’ireo voalaza ireo, miafina ao amin’ireo, ny mpampihorohoro iraisam-pirenena, kanefa dia “malalaka ny fidiran’izy ireo eto amintsika.
Mihoatra noho izany aza, raha nandalo teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny Ivato ny mpanao gazety namana, ny omaly antoandro, dia voararan’ ny tomponadraikitra teny an-toerana tsy ho nahazo naka sary ny fiaramanidina, an ireo miantsona na ny hiainga na koa ny ho nipetraka teny. Fa maninona àry ê ?... Tsy dia ny hoe ny tsy nahazoana naka sary no olana, satria afaka mikisaka eny lavidavitra eny dia mahazo an’izany, raha ilaina, fa tsy azo an-tsaina mihitsy ny antony handrarana ny hakana sary ireo fiaramadinina ireo. Tsy mety hoe ho sary “tahiry” mety hanampy amin’ny liana azy ve raha, sanatria ka misy izany, ny an’ny mpanao gazety ê ?...
Izany no ilazana ny hoe mampanahy ihany, na mampatahotra mihitsy aza, ny amin’ny mety hitranga eto amintsika eto, rehefa mivoatra ity raharahan’ny fampihorohoroana ataon’ny mahery fihetsika ity. Mampiahiahy no sady mampatahotra raha heverina ny hoe any amin’ny firenena “lehibe” toa ireny aza mbola vitan-dry zalahy ny “asany” koa izay eto amintsika ve ?... Efa nisy mampihorohoro nikolaizana iraisam-pirenena mantsy nandefasana didy fikarohana sy didy fampisamborana teto amintsika teo fotoana vitsy lasa izay, dia ilay hoe Abdullah Mohammed. Ny ato anatiny aza moa tsy araky ny mpitandro ny filaminana ny manenjika azy koa ny avy any ivelany amin’ity sisintanintsika “daba loaka ity” ve ?...
Mampiahiahy sy mampatahotra ê !…
Lalou