Mahazo vahana tanteraka amin’ny faritra maro eto Madagasikara ny aretina kohaka. Ny kilonga hatreo amin’ny 5 taona no tena asian’ity aretina ity. Mikohaka maina aloha ilay zaza dia miha mahazo vahana izany ary mitarika hafanana ambony haingana dia haingana. Manomboka eo dia malemilemy ny zaza ary malain-komana avy hatrany. Misy ny voan’ny fanintona noho izany. Ho an’ny sekoly EPP etsy Anatihazo Isotry dia voalazan’ilay mpampianatra fa tamin’ny herinandro alohan’ny fialan-tsasatra iny dia azon’ity aretina ity avokoa ny mpianatra tao aminy. Soa ihany hoy izy ka tonga ny fialan-tsasatra, dia mba misy ny fanarahan’ny ray aman-dreniny ny zaza tsirairay. Sekoly iray any Ambatofinandrahana koa no nahitany ity aretina ity teo alohan’iny fialan-tsasatra iny ka ny antsasaky ny kilasy iray dia nikohaka avokoa. Ny kilonga amin’ny manodidina dia maro koa no voan’ity aretina ity. Mpampianatra avy nanao fitsangatsangana tany Toamasina koa no mitaraina mafy rehefa tonga eto Antananarivo fa misy gripa mafy namely ny delegasionina niaraka tamin’izy ireo. Rehefa natao ny fanadihadiana dia maro koa ny olona efa lehibe no voan’ity kohaka maina ity, ary dia miafara amin’ny fanaviana izany. Raha nanontanianay mahakasika ity aretina ity ny minisitry ny Fahasalamana Andriamanarivo Mamy Lalatiana omaly faha-23 martsa 2016 tetsy Ambohitsorohitra, dia milaza fa tsy misy valan’aretina izany eto Madagasikara. Tsy manana vaovao sy fanazavana mahakasika ireo aretina ireo anefa ity minisitra ity. Mahagaga ihany raha toa ka tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena toa izany no tsy afaka hahalala ny zavatra misy ao amin’ny departemanta iandraiketany ary hitondra fanazavana amin’izany. Sa ve dia efa tsy misy intsony ny fitaterana vaovao any amin’ny lehibe sy ny fampahafantarana ny zava-misy. Lehibe loatra ny fahasalamam-bahoaka eto ka tokony hanana vaovao mahakasika izany tsy tapaka ny minisitra. Raha mbola nanontaniana ny mahakasika ireo aretina ireo ity minisitra ity dia ny sampandraharaha mpiandraikitra izany no asainy vonjena. Mahagaga ihany satria ny aretina efa mihanaka sy miely nefa dia tsy afaka hitondra fanazavana ny minisitra. Ny manahirana amin’izao fitondrana ankehitriny izao dia ny faharatsian’ny serasera na anatiny na ivelany ka ny vahoaka no sahirana noho izany. Indraindray aza dia efa zava-doza no mitranga vao taitra ny fanjakana.
Jesy Rabelaolao