Dimy andro sisa dia higadona ny tsingerintaona faha-69-n’ny raharaha 29 martsa 1947. Amin’ny talata ho avy izao no mitsingerina izay vaninandro izay.
Mampalahelo ny mahita ny mpitondra fanjakana malagasy mahasahy mandihindihy mamakivaky ny araben’Antananarivo tamin’ny alahady ho fanamarihana ny andron’ny Frankôfônia” hono. Dia nanolo-tena nandrera-tena sy nandany andro mihitsy.
Mba firy amin’izy ireny anefa izao no hanana fahavitrihana kely akory mba hitaona ny maro hahatsiaro amim-pitrakana ny tsingerintaona faha-69-n’ny raharaha 29 martsa 1947 ?
Tena hita mibaribary fa mbola voazanaky ny frantsay ny sain’ny mpitondra malagasy e ! Tsy fanoherana bontolo ny frankôfônia akory fa rariny sy hitsiny kosa raha mapitoviana lenta ny an’ny tena sy ny an’ny hafa e ! Raha ny rariny aza dia asongadina ny an’ny tena.
Ianao mpamaky io ve izao, ohatra, dia hahita ny mpitondra fanjakana frantsay hanindraindra ny kolotsaina na ny teny anglisy na ny teny sinoa sy ny kolotsaina afrikanina amin’ny vanim-potoana hahatsiarovan’ny frantsay ny hetsika goavana tamin’ny 1789 na ny fihetsika namoafady nataon’ny Nazi ny tafika frantsay ?
Na ny haino aman-jerim-panjakana aza dia tsy mba ahenoana na tononkalo iray ho fanentanana ny vahoaka amin’izao ankatoky ny fahatsiarovana ny raharaha 29 martsa 1947 izao fa ny fikarakarana ny fivorian’ny frankôfônia no abobobobo andro aman’alina ao.
Dia manara-maso izahay hoe “raha manana finiavana hidina hilahatra an-dalambe ka hanao totorebika toa ireny nataon’ny mpomba ny Frankôfônia tamin’ny alahady teo ireny koa ny mpanohitra ny Frankôfônia”, ary homena alalana ve ? Izany mantsy no demokrasia fa tsy mandeha ila. Rehefa mahazo mirotsaka an-dalambe maneho ny fankalazany sy ny fanohanany ary ny fiankohofana amin’ny frankôfônia ny vondron’olona sasany dia tokony omena alalana hanao toa izany koa ny tsy mitovy hevitra aminy.
Izahay dia mahatsinjo sahady fa raha izany no hiseho eto dia tsy maintsy ho ry Jeneraly Rakotomahanina Florens no hamoritra voalohany eny ka hampiasa ny fitaovana rehetra eo am-pelatanany hanapariahana an’ireo hanao fihetsiketsehana an-dalambe.
Alain Ramaroson: « Tsy azo leferina intsony izao fitantanana mamotika firenena izao »
Niaka-tsehatra tao amin’ny onjam-peon’ny Viva nandritra ny fandaharana “Aoka Hazava” ingahy Alain Ramaroson omaly alarobia.
Nambarany tamin’izany ny tsy ankasitrahany mihitsy izao faneken’ny mpitondra fanjakana malagasy ny sitrapon’ny mpitondra fanjakana frantsay izao.
Efa ampolon-taonany maro no nanjakazaka teto tamin’ny endriny maro, na ny fandrobana ny harena teto na ny fanaovana ampihimamba ny seha-pandraharahana ankapobeny ara-toekarena eto ny frantsay, nefa dia mbola tsy mety manaiky ny maha-an’ny Malagasy an’ireo Nosy malagasy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika ihany izy ireo, na efa nambaran’ny firenena Mikambana aza fa antsika Malagasy ireo, hoy izy. Notsiahivin-dRamaroson Alain omaly ny tenin’ny olona iray manana andraikitra ambony any ivelany any (tsy Malagasy); izay nilaza hoe “ho isan’ny firenena matanjaka ianareo Malagasy atsy ho atsy raha miverina aminareo ireo Nosy kely bodoin’i Frantsa izay ahitana harena tsy hita pesipesenina, indrindra fa raha tsara tantana”.
Mbola notsindrian-dRamaroson Alain ho isan’ny faritra be harena hanampy ny fahafahantsika manarina ny fiainam-bahoaka eto sy mampiroborobo ny toekarem-pirenena malagasy ny antsoina hoe “plateau continental” ao amin’ny fari-dranomasina atsimo ao. Io koa aza dia mbola lazain’i Frantsa fa an-dry zareo, hoy izy, ka tsy ekena.
Ny tena manorisory koa, hoy ihany ity mpanao politika ity, dia hatramin’ireo karana tsy nanana tanindrazana (apatride) avy no lasa manjakazaka sy tompoina eto satria omen’ny mpitondra fanjakana vahana.
Notanisain-dRamaroson Alain fa na ny rafitra nisahana ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany teto tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany (Bcrm) no mbola gejain’ny frantsay. Ny karana koa, hoy izy, dia manao ny ataony, na fanondrana an-tsokosoko volamena na ny famotsiana vola maloto… Nefa dia mbola nomena azy koa ny banky Bni. Notsiahivin-dRamaroson Alain omaly fa “fony izahay tao amin’ny Cst dia efa nitaky ny tsy haneken’ny fitondrana malagasy an’io nandraisan’ny karana “maloto” ny Bni io ny tenany, ary i Hery Rajaonarimampianina, hoy izy, no minisitry ny Vola tamin’izany, izay namaly hoe “samy sehatra tsy miankina ireo” (credit agricole). Notsiahiviko tamin-dRajaonarimampianina tamin’izany fotoana, hoy ihany i Alain Ramaroson fa “raha nivarotra ny renivolany tamin’i Bernard Tapis ny “Crédit Lyonnais” tany Frantsa, izay samy sehatra tsy miankina, dia niditra an-tsehatra nisakana an’izany ny fanjakana frantsay satria misy tombontsoam-pirenena tsy maintsy narovana tamin’izany, ka nahoana ny eto no mitazana fotsiny amin’ny filalaovan’ny “mafia karana” ny toe-karem-pirenena ny mpitondra fanjakana ?
Nanehoan-dRamaroson Alain fanakianana mivaivay koa omaly ny tsy fahafehezan’ny filohampirenena Rajaonarimampianina tena eo anoloan’ny raharaha nahavoatonontonona ny zanany. Filohampirenena ianao ka tsy mety raha miaro ny zanakao fa raha hiaro ny fianakavianao ianao dia tsy tokony miditra mitantana raharaham-panjakana, hoy izy ?. Notsiahiviny ny tsy nidiran’ny filoha Frantsay François Mitterrand tamin’ny raharaha nahavoarohirohy ny zanany Jean Christophe Mitterrand tamin’ny fanaovana raharaha maloto amin’ny harena sarobidy taty Afrika tamin’ny fotoanandro.
Raha izao zava-misy amin’izao fotoana izao no avela ho gaboraraka, hanomezana vahana ny havan’ingahy filoha hanao ampihimamba ny harem-pirenena sy ny toerana feno harena eto ary hibaiko sy hanao jadona amin’ny raharaham-panjakana, dia tokony ovaina ny anaran’ny Repoblika malagasy ka atao hoe Repoblikan’ny Fianakaviana Rajaonarimampianina, hoy i Alain Ramaroson.
Noho izany, tsy azo leferina na ho ekena intsony izany fa tsy maintsy hijoroana ary hanentanana ny vahoaka mba hanana fahasahiana sy fahavitrihana ka hitsangana hanohitra izany.
Na io fanitsakitsahana ny hasin’ny firenena malagasy amin’ny resaka Frankôfônia io aza dia efa tsy azo ekena satria tetika hangoronan-karena ho an’ny mpitondra fanjakana malagasy sy ny manodidina azy, nefa ny vahoaka dia trongisina amin’ny toeram-ponenany, hoy ihany izy.
Hisy ny ho fitarihana ny vahoaka hidina an-dalambe atsy ho atsy fa ny fanaterana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ny Raharaha 29 martsa 1947 aloha no hanentanana ny vahoaka malagasy haneho fiombonam-po amin’ny talata, hoy izy.