Tonga taty Madagasikara mihitsy ny Sekretera jeneralin’ny fikambanan’ny firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay mba ho « nanazava » ny anton’io fivoriana hatao ny volana novambra io.

Nisahirana nankaty ramatoa io fa… hasaina hihinana sy hisotro maimaim-poana kosa ve ?... Na lany aza mantsy ny ala, ny misy ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ary na kere aza ny malagasy ao anatin’izany, na iza tsy faly dia tsy maintsy hatao ihany io fandraisam-bahiny io.

Ny tsy azontsika an-tsaina koa ange dia ny hoe mody omen-dry zareo toerana ireo zanatany fahiny fa izy ireo ihany no «mandidy» ny tokony hatao ao ambadika ao ê. Ny tsy voalazan-dramatoa fotsiny dia ny hoe « misaotra anao ry fitondram-panjakana malagasy miloloha anay an-tampon’ny loha ê ».