Hetsika efa zary lasa kolotsaina eto an-drenivohitr’Antananarivo sy ny manodidina ny Tsenabe antsoina hoe “La Grande Braderie de Madagascar”. Efa 25 taona mahery izao no nisian’izy ity izay fanao etsy amin’ny lapan’ny kolotsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. In’efatra isa-taona no fanaovana azy io eo ka ny iray amin’ireny dia ny ankatoky ny fetin’ny Paska toa izao.
Tsy azo notanterahina anefa izany tamin’ity noho ny jadon’Iavoloha. Noteren’i Iavoloha hatao aorian’ny fetin’ny Paska izany ka tezitra avokoa ny mpandray anjara tamin’ny ankapobeny satria izany no tonga amin’ilay antsoina hoe “haingo diso an’Iarivo”. Tena ara-bakiteny io. Inona intsony ny maha- tsenabe ankatoky ny fetin’ny Paska azy raha any aorian’ilay fety vao hatao ? Ny anton’izany rehetra izany, hoy ny akom-baovao, dia noho ny fifaninanana ara-panatanjahantena eo amin’ny taranja Basket-ball izay iadiana ny amboaran’ny filohampirenena, izay hifarana rahampitso sabotsy.
Tena fanaovana zinona ny hetsika ara-toekarena sy ara-barotra toa itony “La Grande Braderie de Madagascar » itony ange izany e ! Hatrizay, na misy hetsika manemitra ny tokontaniben’ny lapan’ny Kolotsaina sy ny fanatanjahantena aza eny dia tsy misakana ary tsy manelingelina ny hetsika ara-panatanjahantena tiana hatao ao anatin’ny trano be izany. Sa raha tonga hanolotra ny amboara eny rahampitso ny filoha dia hanelingelina azy ny fisian’ilay tsenabe “La Grande Braderie de Madagascar” eo ivelany ?
Manitikitika ny sain’ny mpandray anjara amin’ity hetsika tsenabe ity ny hoe “Ingahy Jaobarison izay mpanolotsaina manokan’ingahy Filohampirenena ange mba isan’ny mpiara-niombona antoka tao amin’ny “Mada Vision” mpikarakara an’io hetsika ara-barotra io ihany teo aloha, ka nahoana izy no namela an’izany jadona izany ho tsy maintsy nahomby ?” Tena mamoa-tsampona mihitsy ry zalahy rehefa mahazo seza ka migoka tombontsoa miavosa.