Fifanampiana Malagasy. Fikambanana tsy vaovao eo amin’ny sofin’ny maro. Izy io no fikambanana nijoro voalohany teto Madagasikara taorian’ny raharaha 29 martsa 1947 , ary mbola mijoro sy miasa mandrake ankehitriny. Ry Gisèle Rabesahala izay nanangana azy io dia tsy hafa fa efa nandray an-tanana ny fitsinjovana ny vady aman-janak’ireo Tia tanindrazana voasambotra sy nofonjain’ny mpanjanan-tany tamin’iny Raharaha 29 martsa 1947 iny. Ny fikarakarana ireo vady aman-janak’ireo gadra politika ireo no tena nimasoany. Nikarakara mpisolovava niaro an’ireo gadra politikan’ny raharaha 1947 koa nandritra ny fitsarana lehibe azy ireo tamin’ny 1948 ny olona nanangana ny Fifanampiana Malagasy, ary tamin’ny taona 1950 no nijoro ara-dalàna ho Fifanampiana Malagasy ny rafitra. Nanohy ny fikarakarana ny vady aman-janak’ireo tia tanindrazana nogadrain’ny mpanjanantany frantsay ity fikambanana ity. Isan’ny nandray anjara tamin’ny fananganana ny vondron-tany tsy momba ny atsy na ny aroa izay natao tany Bandoung koa ny Fifanampiana Malagasy tamin’ny 1950.

Tsy azo hadinoina fa nentin’ny Fifanampiana Malagasy nanentana ny vahoaka teto sy notakiana teo amin’ny sehatra iraisampirenena ny fitakiana ny Famotsoran-keloka faobe (amnistie générale) ho an’ireo tia tanindrazana nogadrain’ny mpanjanan-tany frantsay noho ny Raharaha 1947 ny Fifanampiana Malagasy.

Tsy manadino mihitsy isa-taona ny fahatsiarovana ny tsingerintaonan’ny raharaha 29 martsa ny Fifanampiana Malagasy. Miezaka mandrakariva koa ny hamelo-maso hatrany ny lanjan’ny tantaram-pirenena malagasy sy ny tolona nataon’ny Tia tanindrazana teto amin’ity firenena malagasy ity ny Fifanampiana Malagasy satria saika nifototra hatrany tamin’ny famerenana ny fiandrianam-pirenena sy ny fitadiavana ny tena fahaleovantenam-pirenena ny tolona rehetra niseho teto. Ny tanora indrindra no tokony hampitana ny tantaran’ny firenena, ary tokony hampidirina ho fandaharam-pianarana any an-tsekoly mihitsy aza ny tantaran’i Madagasikara sy ny tolom-panafaham-pirenena nitranga teto, ka isan’izany ny marina momba ny raharaha 29 martsa 1947, hoy ny sekretera nasionalin’ny Fifanampiana Malagasy amin’izao fotoana, Rtoa Ramanampamonjy Michelle.

Amin’ity tsingerintaona faha-69-n’ny raharaha 29 martsa ity moa, ankoatra ny fanaterana fehezam-boninkazo eny amin’ny tsangambaton’ny Mdrm eny Mandrosoa Ambohijatovo sy eny Avaratr’Ambohitsaina misy ny taolambalon’ireo tia tanindrazana, dia hisehatra amin’ny “Tantara Tsangana” (teatra) etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely rahampitso sabotsy tolakandro ny tanora vao erotrerony novolavolain’ny Fifanampiana Malagasy, ka hampiseho ny tantaran’ny tolom-panafaham-pirenena teto izay ampitondrain-dry zareo ny lohateny hoe “Ny lasa tsy fanadino”. Mikarakara fampirantiana tahirin-tsary eny Antaninandro nanomboka omaly alakamisy koa ny Fifanampiana Malagasy.