Ho lavalava ny faran’ny herinandro amin’ity noho ny fetin’ny Paska arahan’ny fotoam-pahatsiarovana ny raharaha 29 martsa 1947. Amin’ny fotoana tahaka itony dia ny fandinihan-tena, ny fifamelana… ary ny fiezahana mba hanao fety miaraka amin’ny fianakaviana no fanao. Afaka hanao izany anefa ve ny Malagasy amin’izao fotoana izao ê?...

Tsy vidim-bola, tsy andoavana ariary, ny fandehanana mankalaza an’io fety kristianina io. “Raharaha” taloha izany hoe tsy maintsy mividy fitafiana vaovao raha handeha hiangona rehefa fety lehibe toa azy io izany. Raha ny tena marina tokoa mantsy dia ny hivavaka, hanolo-tena ho an’ilay Avo indrindra, no tena anton-dia any am-piangonana amin’io fa tsy izany hiangona izany. Tsy izay tsara fitafiana ihany akory no hahazo ny fanjakan’ny lanitra fa izay tsara toe-po sy fanahy, tsy mihatsaravelatsihy. Azo lazaina koa ny hoe tsy izay manefa rakitra be indrindra no ho avotra fa izay mahafoy ny kely ananany ho an’ny hafa… Sy ny sisa ê.

Misy koa ny mihevitra fa raha tsy manao fihinanam-be amin’ny fety toa itony dia toy ny tsy nanao ny fankalazana. Azo atao tokoa izany raha misy ny hoenti-manana, saingy tsy voatery ê. Tsy ny hanina ihany no mitondra hafaliana ao amin’ny fianakaviana. Tsy mba mety ho azo an-tsaina ve, ohatra, ny hafalian’ireo ankohonana noho ny hoe mba samy hita, afaka miresaka sy miravo amin’izay ananana ny mpianakavy ê?...

Tsy ny hitory teny akory no hatao eto fa ny tiana hisarihana ny saina dia ny hoe andao mba hiaraka hanokana an’ireo andro vitsy ireo mba hanadinoana ireo sorosorintsaina efa iainana mandritra ny taona…

Izany antony rehetra izany no niezahana tsy niresahana pôlitika, na olana ara-tsôsialy sy ny sisa…

Mba ho samy hanao fety sambatra ê.

Lalou