Vita tamin’ny alakamisy faha 24 Martsa 2016 lasa teo ny fitsidihan’ny sekretera jeneralin’ny frankôfonia ramatoa Michaëlle Jean. Fitsidihana sava ranonando ihany ity nataony ity alohan’ny fanombohan’ny fihaonana tampony izay hatao eto Madagasikara amin’ny volana novambra 2106 izao. Mbola milaza ny hiverina eto ity ramatoa ity amin’ny volana jolay izao, amin’ny fivoriambe ny parlemantera frankôfona, izay hialoha làlana ny fihaonana tampony io. Nihaona tamin’ny karazan’olona maro ity ramatoa ity tao anatin’ny roa andro izay nivahinianany teto Madagasikara izay raha ny filazany. Niheno ny feon’ny malagasy hono izy tamin’izany. Tsy nihaona tamin’ny mpitaky ny fiverenan’ny nosy antsoina hoe « Iles Eparses » nefa izy tamin’izany, izay azo lazaina fa isan’ny raharaha mafana amin’ny frantsay sy i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Voalazany ihany anefa fa nisy ny nanontany azy momba an’io raharaha io tamin’ireo olona nihaona taminy ireo. Tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny alakamisy faha 24 martsa 2016, raha nanao tatitra ny diany izy no nanontanian’ny mpanao gazety ny momba ny fahitan’ny fikambanana ao amin’ny frankôfonia ity sy ny heviny momba ireo nosy ireo. Tamin’izany dia valinteny fialana bala tanteraka no nataon-dramatoa Michaëlle Jean. Nambarany fa mila fitandremana mafy ny mahakasika ity raharaha ity. Raharaha manokana an’i Frantsay sy Madagasikara hoy izy io ka tsy idiran’ny frankôfonia. Izany valintenin’ity sekretera jeneralin’ny frankôfonia izany dia isan’ny nandiso fanantenanan ny Malagasy. Midika izany fa tsy hisy ny fandinihana ity raharaha ity amin’ny fihaonanana an-tampony io nefa dia io no tena andrasan’i Madagasikara fatratra, ny famerenan’i Lafrantsa ireo nosiny ireo. Ny frankôfonia dia midika ho Lafrantsa na inona na inona fialan’ity ramatoa ity bala. Tsy nisy izany frankôfonia izany raha tsy nisy ny fanjakana frantsay, ary noho ny fanjanahany ny firenena maro no naha voatery nananan’izy rehetra ireo ny kolontsaina frantsay sy nitenenana ny fiteniny. Noho izany dia tsy maintsy hangataka amin’ny mpivory amin’io fihaonambe io ny hamerenana ny nosy io ny Malagasy. Raha sanatria ka tsy hisy ny fandinihana izany na tsy afaka ny hametraka izany olana izany ao amin’ny fivoriana ingahy Hery Rjaonarimampianina izay filoham-pirenena sy ny solontenan’ny Malagasy handray anjara amin’io fivoriana io, dia mety hisy fiantraikany amin’ny politikan’ny HVM (hery vaovao ho an’i Madagasikara) sy ny fitondrana entiny amin’izao fotoana izao izany. Ny Malagasy koa dia tsy maintsy hanontany ny mahakasika io raharaha io amin’ny filohan’ny fanjakana frantsay François Hollande, ka eo no mety hampisy ny fisarahana amin’ny Malagasy sy ity firenena ity. Marobe tokoa ny resaka mahakasika ity raharaha ity, ka tokony ho efa hanomana mafy izany ny delegasionina Malagasy. Tsy azo atao tsinontsinona ny hevitry ny vahoaka tompon’ny fahefana ireny ka tokony hanana fahasahiana hitondra sy hiady izany ny fitondrana misy amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao