Efa mba ela ihany no sady natetika no niresahana an’ity « massage », na fanorana, miparitaka manerana ny tanàna ity. Noresahina satria fantatry ny rehetra fa misy zavatra “hafahafa”, toy ny fivarotan-tena an-kolaka, ohatra, ao anatiny ao, ary saika ny tovovavy mbola erotrerony mitanjatanjaka no aseho sary amin’ny doka izay miparitaka any amin’ny gazety samihafa momba azy.
Misy zavatra maloto ao, ary azo raisina ho porofon’izany ny “raharaha” nahazo ilay olon-dehibe izay hitan’ny mpanao gazety ka nahatonga resabe, fotoana vitsy lasa izay iny. Ankehitriny àry dia efa miparitaka eran’ny tanàna ihany koa ny takelaka goavana manao doka ho azy ireny ka mampametra-panontaniana ny amin’ny hoe mba ahoana moa izany ny mety ho fiantraikan’izy ireny amin’ireo zanatsika, ho avin’ny firenena ê? Mampanahy be ihany ny zava-misy satria “vola haingana”, araka ny fitenenana izy ireny, moa vao haingana ihany koa no niresahan’ny hainoaman-jery rehetra ny hoe efa mivaro-tena any amin’ny fampiasana an’ireny fitaovan-tserasera, toy ny “facebook” sy ny somaiso ireny ny zaza malagasy na lahy na vavy. Araka izany no isintonana ny sain’izay tomponandraikitra mba hanao fanaraha-maso an’ireny toerana fanorana ireny. Tsy azo odian-tsy hita koa mantsy fa tsy nisy nianatra, na niofana momba izany fanorana, na “massage” izany ireo “miasa” any amin’izy ireny ka raha eritreretina hitsabo izy ireny dia mety ho vao mainka hamorona aretina ho an’ireo oriny, raha otra tokoa no ataony.
Alain R.