Voahelingelina sy niharan’ny herisetran’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Reg omaly ny mpanao gazety raha nitrandra-baovao tetsy amin’ny tsangambaton’ny Mdrm etsy Ambohijatovo, nandritra ny fametraham-boninkazo nataon’ny sokajin’olona maro. Nianjadian’ny fanilikilihana sy ny vava tsy ambina marary, miendrika fanevatevana avy amin’ny arofenitry ny fiadidiana ny Repoblika koa ny mpanao gazety omaly ihany teny amin’ny fasan’ny mahery fo teny Avaratr’ Ambohitsaina.

Tsy nahenoana fanamarihana na fanamelohana na fanakianana mihitsy na ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard na ny solontenan’ny mpanao gazety ao anivon’ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna, Randy Donny, nefa endrika faran-tampon’ny fanohintohinana ny asa fanaovan-gazety izany, ary taratry ny fanitsakitsahana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna.

Toa variana miankohoka amin’ny fitondrana Hvm fotsiny. Raha misy mpanao gazety mitatitra tenin’olona mitafa amin’ny mpanao gazety anefa ka mitsikera ny fitondrana Hvm dia lohalaharana ny filohan’ny holafitra mamoaka fanambarana manampempo sy mampitandrina (mampihorohoro) ny mpanao gazety, raha tsy hampahatsiahy afa-tsy ilay akon’ny raharahan’Anjozorobe isika. Hay ve lasa saribakolin’ny Hvm ny filohan’ny holafitra izay talen’ny famoahana ny gazetin-dRavalo (Basy Vava) e ? I Randy Donny moa nilokaloka fa tsy hanadino ny mpanao gazety. Ka aiza ianao tamin’irenyomaly ireny e ? Voky ve dia natory ?