Omaly alatsinainy faha-29 martsa 2016 no nitsingerina ny taona nisian’ny tolona lehibe teto Madagasikara tamin’ny fiadiana ny hiverenan’ny fahafahana. Ankalazaina amin’ny fomba mihaja sy manetriketrika izany ho an’ny vahoaka malagasy sy ny fitondram-panjakana hatramin’izay. Io faha-29 martsa 1947 io no antsoin’ny malagasy hoe “tolon’ny tia tanindrazana”. Miisa iray hetsy mahery no malagasy maty tamin’izany. Tolon’ny firaisankinam-pirenena koa no iantsoana azy noho ity izay niraisan’ny sokajin’olona rehetra. Ny fankalazana omaly dia niavaka tamin’ny fankalazana rehetra nisy hatramin’izay 70 taona nisian’ny fankalazana izay. Nitrangàna korontana teo amin’ny fankalazana ity vanimpotoana manan-daza eo amin’ny firenena ity. Nosakanan’ny miaramila sy zandary avy ao amin’ny Emmo-reg ny fikambanana sasantsasany izay hanatitra voninkazo ho fahatsiarovana izany. Isan’ny nitarika korontana teo Ambohijatovo ny fanakanana ny senatera Lylyson Réné izay senatera voafidy avy any amin’ny faritanin’i Mahajanga sy ireo olona niaraka taminy. Raha saika hiditra teo amin’ny ilany avaratry ny tsangambato fahatsiarovana ny maherifon’ny tanindrazana teo Ambohijatovo izy ireo avy hatrany dia nosakanan’ny mpitandro ny filaminana. Tsy nisalasala koa naneho ny taratasy fahazoany alalana avy amin’ny fanjakana hanao izany ity kolonely lasa senatera ity. Velona ny fifamaliana ary niha-niakatra ny feo teo amin’ny roa tonta. Folo minitra taorian’izany dia tonga ny jeneraly Florens Rakotomahanina izay lehiben’ny Emmo-reg ka raikitra ny fifamaliana tamin’izy roalahy. Nifanindry tamin’ny fahaizana sy ny lalàna teo ary samy nampiseho ny maha izy azy koa. Nitombo be dia be ny miaramila nanampy ny lehibeny, nefa dia nanomboka nirohotra nanampy ny senatera Lylyson koa ny olona nahita izany. Nihanafana ny fifandirana ka lasa tamin’ity adin’ny jeneraly Florens ity sy ny kolonely Lylyson no nitazona ny mason’ny olona tonga hanatrika ity fankalazana ity. Raha vao vita ny fametrahana voninkazo nataon’ny mpitondra fanjakana izay notarihin’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo, dia raikitra avy hatrany ny gidragidra teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka nomba ity senatera ity. Ingahy Lylison izay hita teny amin’ny fomba fihetsiny fa tsy manaiky ho sakatsakanana sy ho vonoina lolo. Rehefa avy nosakanana tsy hametraka voninkazo teo amin’ny tsangambato ingahy senatera sy ny olona niaraka taminy dia tsy nanaiky izany fanakanana izany, ka ny niafarany dia nisy solontenan’ireto vahoaka ireto ihany no navelan’ny Emmo-reg nanao ny fametrahana voninkazo teo amin’ny tsangambaton’ny maherifo . Rehefa vita izany dia handeha hamonjy ny “Mausolée” na ny fasan’ny maherifon’ny firenena eny avaratr’Ambohitsaina indray ireto olona ireto araka ny fahazoan-dalana azon’izy ireo tamin’ny fanjakana ihany. Nosakanana anefa ny fiarakodia izay nisy ny fanamafisam-peo nentin’ireto olona ireto. Tamin’izay no nahitana an’ingahy Sareraka mpihira sy CST (mpanolotsaina ambonin’ny tetezamita) teo aloha nanentana ny vahoaka indray tsy hanaiky izao fanakanana ny fanaterana voninkazo ho an’ny maherifo izao. Olona marobe koa no nanaraka ity fiara ity izay voalaza fa fiaran’ny senatera Lylyson. Tsy navelan’ny Emmo-reg handeha ho eny amin’ny fasan’ny maherifo eny avaratr’Ambohitsaina ity fiara ity. Navelan’ireto olona ireto teo ilay fiara fa nandeha tsy nisy fiara ihany ireto olona ireto. Voatery nanakana azy teny avaratr’Antanimora ny Emmo-reg ka teo no nisy ny fandravana ny diaben’ireo vahoka marobe. Afaka nandeha ihany ny fiaran’i Lylyson , ka nataon’ny vahoaka tao ampovoany. Nirefodrefotra izay tsy izy ny baomba mandatsa-dranomaso. Niparitaka ny olona noho izany ary nisy ny naratra noho ny fianjerana. Nisy nitifitra koa ny fitaratra anoloan’ny fiaran’i Lylyson. Niparitaka ny mpanara-dia azy. Ity senatera ity nefa dia mbola mifamaly tamin’ny Jeneraly Florens hatrany. Namonjy ny Mausolée ingahy Lylyson senatera ary depiote iray namany niampy tovolahy vitsivitsy nitondra ny voninkazo haterin’izy ireo ao amin’ity toerana ity. Nosakanana koa izy ireo teo anoloan’ity toerana ity ka nifanazava tamin’ny mpiambina akaiky ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina. Tamin’izany no nanambara ingahy Lylyson Réné: “fa raha tsy soloin’ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina maika dia maika ny fitaratry ny fiarany dia ho gafiany sy ho potehiny koa ny fiaran’ny filohan’ny repoblika”.
Marihina fa mbola tsy nisy fankalazana ny faha-29 martsa toa izao teto Madagasikara. Azo lazaina fa tsy fahaizana mandamin-javatra nataon’ny mpikarakara ity raharaha ity iny zavatra nitranga iny. Hita koa ny lesoka teo amin’ny arofenitra. Nampiandrasina fotoana maro teo ampovon’ny arabe ny praiminisitra Jean Ravelonarivo teo Ambohijatovo, ka niandry ny ben’ny tanànan’Analamanga izay mbola tsy tonga marim-potoana. Toa izany koa ny fandrindrana ny mpametraka voninkazo, izay tsy voalahatra. Marihina fa mbola nisy korontana koa tamin’ny fanateran’ingahy Alain Ramaroson ny fehezam-boninkazony omaly.
Jesy Rabelaolao