Sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara ka nahatsiarovana ny tsingerintaonan’ny raharaha 29 martsa 1947 omaly no nosakantsakanan’ny mpitandro ny filaminana izay rehetra tonga teny amin’ny tsangambaton’ny Mdrm teny Ambohijatovo.

Teo amin’ny lafin’ny arofenitra aloha dia norarana ho tsy mahazo mametraka fehezam-boninkazo na iza na iza raha tsy vita ny an’ny fitondram-panjakana. Ny Antoko Hvm irery, tamin’ny alalan’ny minisitra iray ao amin’ny governemanta, no afaka nametraka mialoha tao anatin’ny fiarahany tamin’ny mpitondra fanjakana ny fehezam-boninkazony.

Rehefa vita indray ny an’ny mpitondra ka nambara fa afaka miroso ny hafa dia tena olana be satria nosakanana ho tsy afaka nametraka ny fehezam-boninkazo afa-tsy olona vitsy dia vitsy tamin’ny alalan’ireo loholona sy Depiote ny vondron-kery Mapar. Niharan’ny fanelingelenana koa ny Akfm sy ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana liam-pivoarana ho amin’ny tena fanarenana. Niteraka fifandirana be teny izany rehetra izany. Toraka izany koa ny mpiara-dia tamin’i Alain Ramaroson. Nidrinkina hatramin’ny farany moa i Alain Ramaroson hoe “isan-taona ny tenako manatitra fehezam-bonikazo teto hatrany, ka mbola tsy nitakiana taratasy manome alalana momba izany na afaka niditra teto avokoa ny vahoaka niara-dia tamiko”. Henjana ny fifanazavana tamin’ny Emmo-Reg sy i Alain Ramaroson niaraka tamin’ny vahoaka teo, ka hany herin’ny Emmo-Reg namela azy ireo niroso.

Nitohy tamin’iny lalany miakatra an’Avaratr’Ambohitsaina iny ny herisetran’ny Emmo-Reg raha niazo hanatitra voninkazo teny ny vondron-kery Mapar notarihin’ny Loholona Lylyson sy depiote omaly. Nanapoahan’ny Emmo-Reg entona mandatsa-dranomaso ireo vahoaka niara-dia tamin’izy ireo teo anoloan’ny foiben’ny polisy (Fip) teny Antanimora, ka nahatezitra an’ireo polisy tao hoe “tena manala baraka anay ianareo Emmo-Reg fa lasa izahay eto amin’ny Fip izao no voalaza ho mampiasa herisetra amin’ny olona mitanjozotra amim-pilaminana hanatitra voninkazo”. Voatery nandamina ny raharaha teo ny manamboninahitra iray eo amin’ny laharan’ny kolonely avy amin’ny Emmo-Reg fa efa niakatra ihany ny hatezeran’ny polisy tao amin’ny Fip !