Andro tsy fiasana ny faha-29 martsa eto amintsika. Ny tamin’ity taona ity dia ny ampitson’ny alatsinain’ny paska, izay efa andro tsy fiasana rahateo koa, io daty io hany ka dia lavalava ny fotoana tsy niasana, nanomboka ny sabotsy nialoha ny paska.
Nisy tamin’ny mponin’Antananarivo àry no nikasa ny mba ho nijerijery magazay tao Analakely tao, ary tao koa ny te ho nitondra ny ankohonana ho nitsangantsangana tao sy teny Ambohijatovo teny satria nihevitra fa mba nalaladalaka teny fa tsy feno olona nifanitsa-kitro toa ny tamin’ny andron’ny alatsinain’ny paska… kanefa dia tsy tafiditra tao “afovoan’ny tanàna” tao. Ny fiarakodia sy ny môtô aloha dia vao tany amin’ny manodidina dia efa nosakanana sy navily lalana fa tsy azon’izy ireo nidirana tao. Ireo nandeha an-tongotra kosa, vao nahita an’ireo mpitandro ny filaminana marobe nijoro isaka ny vava lalana nahafahana niditra tao Analakely dia nifanontany hoe fa misy inona ao fa “mampatahotra” ireo pôlisy sy zandary marobe ireto ?...
Fantatra ihany anefa ny antony fa dia ny “fiarovana” ny tsangambaton’ny Mahery fon’ny firenena, hono ê. Raha ny tena marina dia tsy ilay tsangambato loatra no narovana fa ny olona nikasa ny ho nanatitra voninkazo teo aminy no “nilaina” ho nosivanina. Ny antony ?... Sao hono nisy tsy nahazo alalana avy amin’ny mpitondra ka hanatitra voninkazo eo.
Eo amin’io fangatahana alalana io àry no mampametra-panontaniana ny maro hoe fa inona no anton’izany ê ? Nahoana no ilaina fangatahana alalana ny fanateram-boninkazo ho fanomezam-boninahitra ny Mahery fo ?...
Mipetraka ny fanontaniana satria raha ny fahazoana izany dia toa fiheverana ny Malagasy, ny taranak’ireo Mahery fo ireo ho, sanatria, “kely loha” ka tsy mahalala ny tokony hataony amin’izany fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra izany io “fierana” na fangatahan-dalana io. Nahoana àry hatramin’izay no tsy nisy izany fa noho ny tamin’ity Repoblika fahefatra ity vao “noforonina” ê ?...
Fanontaniana hafa ihany koa ny hoe naka, na nangataka alalana tamin’iza taiza àry ny mpitondra fanjakana nandeha nanatitra voninkazo teny ê ? Fa maninona izy ireo no tsy nasaina nanao izany, toa ny “olon-drehetra” ?... Sa ve izy ireo tokoa ilay lazain’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena hatramin’izay hoe tompon’ny tanàna sy ambonin’ny lalàna ê ?
Tsy hohalavaina ny resaka fa ny tiana homarihina fotsiny dia ny hoe ao anatin’ny handraisana an’ireo solontenan’ny mpiteny frantsay no itrangan’izao zavatra izao. Diso ve ny maro raha mihevitra ny hoe isan’ny endrika iray isehoan’ny tsindry ataon’ny mpanjanaka sy ny tahotra aterak’izany io fandrarana an-kolaka ny tsy hahatsiarovana ny mpitolona nanohitra azy ireo io ?... Ny fandrarana “be loatra” anefa dia vao mainka mampiakatra ny lonilony ao amin’ny vahoaka ka sao, sanatria, any amin’ny fotoana tsy ampoizina no hampipoaka ny sarom-bilany…
Fa inona àry no mahatahotra ê ?... Asa ê !
Lalou