Mbola mitana ny sain’ny maro ny sakoroka nitranga ny talata faha-29 martsa 2016 lasa teo iny. Raha nosakanan’ny Emmo-reg teo avaratr’Antanimora ny mpanatitra voninkazo notarihin’i Lylyson, ka nisy ny fanaparitahana izany tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso, taoriana kelin’ny nandalovan’ny fiaran’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo. Raha vao avy nandalo ny fiara izay nitondra ity manampahefana ity, dia tsy niraharaha izay fiara tany aoriana intsony ireto miaramila ireto. Tao anatin’ny fiara tratra aoriana kely izany no nahavoatifitra ny baomba ny mpanolotsaina ara-politikan’ny praiminisitra iray. Tafiditra tao anatin’ny fiara avokoa ilay etona naterak’izany ka nahasempotra ity manampahefana ity. Voalaza fa niteraka aretina ho an’ilay manampahefana izany ka tsy nahafahany namonjy ny asany ny ampitson’iny. Tsy ny olona izay nokendrena haparitaka tamin’iny raharaha iny ihany izany no voadona fa hatramin’ny manampahefana tompon’ny lanonana koa. Fianakaviana tamin’ny tokantrano vitsivitsy koa no nahazo aretina satria dia tonga hatrany an-tokantranon’izy ireo ny baomba. Avy hatrany dia nisy ankizy maro nikohaka vokatr’izany. Nisy moa ny kilonga vitsivitsy izay tsy maintsy noentina tany amin’ny dokotera mihitsy.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao