Mbola resaka hatramin’izao, ary inoana fa tsy hijanona ato ho ato, ny momba ny zava-nitranga tamin’iny faha-29 martsa teo iny.
Samy manana ny fomba fahitany azy moa izy iny ka ankehitriny izao dia ny eo amin’ny hoe iza no nanakorontana no ipetrahan’ny adihevitra.
Ny mbola averimberin’ny hainoaman-jery amin’izao fotoana izao tokoa dia ny “fifanazavana” teo amin’ny jeneraly Florens Rakotomahenina sy ny senatera Lylison René de Rolland. Samy nanana ny fanazavany koa izy mirahalahy ireo, ary samy niziriziry tamin’izany avokoa. Samy zandary nahavita fianarana ambony tokoa mantsy fa ny iray mbola am-perin’asa no sady misalotra ny galonan’ny jeneraly fa ny iray kosa efa nametra-pialana noho izy nilatsaka hofidina ho senatera, ary dia io lany io. Eo indrindra no mahalasa ny eritreritra amin’ny hoe nahoana no samy zandary ka tsy hifankahazo resaka ê?... Mipetraka ny fanontaniana, satria taratasy iray izao ihany no novakiana kanefa samy hafa ny hitan-dry zareo tao anatiny. Izay foana no olana eto amin’ity firenena ity satria dia toa ny nianatra ny lalàna foana no mamilivily azy araka izay itiavany azy. Arakaraka ny tombontsoan’ny tsirairay io, hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena; koa dia ireny no fandehany ê.
Taty aoriana dia “niditra” nanome ny “fanazavany” koa ny avy ao amin’ny prefektioran’ny pôlisy, izay manamboninahitra ambony ao amin’ny tafika ihany koa. Vao mainka àry tsy nazava tamin’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ny fandehany satria, raha hotsorina dia tsy azo mihitsy izany fanazavana nomen-dry zareo izany.
Tsy nazava ny hoe nanome alalana ny senatera Lylison hametraka voninkazo teny Ambohijatovo sy teny amin’ny Mausolée ny prefektiora… dia izay, fa tsy nanome alalana azy ho namory vahoaka na ho nanao zavatra hafa. Mahavariana ilay “fanazavana” satria iza no tsy nahalala sy nahita fa efa herinandro talohan’io faha-19 martsa io ny senatera Lylison no efa niseho tamin’ny hainoaman-jery, niantso ny vahoaka isam-pokontany mba hiaraka aminy, hanao fitafiana fotsy na maitso na mety, amin’izany fanaterana voninkazo izany?... Tsy nino ny hiavian’ireo mpanotrona ireo, angamba, ny prefektiora ka nanome alalana “an-jambany”?... Na izany na tsy izany koa aza anefa, raha nanome alalana ny hanateram-boninkazo any amin’ireo toerana roa samy hafa ireo ny prefektiora dia tsy noeritreretin-dry zareo ve ny hoe amin’ny fomba ahoana àry no hialan’ny senatera Lylison sy ny mpiara-dia aminy avy eo Ambohijatovo ka hahatongavany eny amin’ny Fasan’ny Mahery fo eny amin’ny mausolée ê?... Tokony ho nandeha angidimby ka nisidina ambony ve?...
Niarahan’ny rehetra nahita koa fa nizotra, tsy nanakantsakana na iza na iza ireo nikasa ny ho nanatitra voninkazo ireo, ka na ny praiminisitra sy ny mpanara-dia ary ny mpiaro azy aza afaka nandeha, tsy voahelingelina raha nandalo azy ireo hamonjy ny teny amin’ny Mausolée.
Ampangaina ho nanakorontana moa ny senatera Lylison sy ireo niara-dia taminy koa eo no ipetrahan’ny fanontaniana hoe iza no nanakorontana ê?... Ireo nizotra tamim-pilaminana hanatitra voninkazo ve sa ireo nisakana ny lalan-dry zareo ka nitifitra baomba mandatsa-dranomaso azy ireo? Ny loholon’i Madagasikara nitarika ny vahoaka handeha hanome voninahitra ny maritioran’ny firenena sa ny “mpitandro ny filaminana”, dia ny nanome sy ny tsy nanome alalana azy ireo tamin’izany?... Dia inona koa izany no hitranga rehefa hanao tatitra any amin’ny vahoaka nifidy azy ireo olomboafidy isanisany eto amin’ny firenena ireo? Ho lazaina ho mpanakorontana koa ve satria tsy maintsy ho vahoaka mihoatra ny dimy na folo no havorin’izy ireo amin’izany? Holazaina ho mpanakorontana koa ve?... Asa ê?
Lalou