Ny taona 1956 no nisy hetsika politika voalohany niseho teto Antananarivo taorian’ny raharaha 1947, dia ny fanoheran’ny tanora mpianatra ny voka-pifidianana solombavambahoaka. Ny tanora niara-dia tao amin’ny FTdm na “Fikambanan’ny Tanora Demokratika Malagasy (Association de la Jeunesse Démocratique Malagasy) no nitarika ny hetsika tamin’izany, dia ny hetsi-bahoaka tamin’ny raharahan’ny 1 aprily 1971 notarihin’ny Monima sy i Monja Jaona, izay 45 taona katroka amin’ity andro anio ity ny faharoa.

Satria mbola nitohy ny fanjanahan-tany tamin’ny endriny vaovao ary nampihombo ny fahantram-bahoaka navelan’ny mpanjanantany nandritra ny Repoblika voalohany izany dia tsy zakan’ny Monima intsony ny handefitra ka nijoro i Monja Jaona nanohitra ny fomba fitantanana ny raharaham-bahoaka tamin’izany.

Tsy marina loatra ny filazana fa ny faritra atsimon’ny Nosy ihany no nihetsika tamin’ny 1971. Faritra maro no nihetsika satria hetsi-pirenena ny raharahan’ny aprily 1971 fa tsy raharahan’ny faritra atsimon’ny Nosy samirery. Nitrangan’ny hetsika tany Mahajanga, ny tany Ambatondrazaka, ny teto Antananarivo, ny tany Antsirabe… Porofon’izany dia maro tamin’ireo tomponandraikitra Monima tamin’ireny toerana sy faritra ireny no nosamborin’ny fitondrana Psd.

Ny tany atsimon’ny Nosy no tena nalaza satria henjana ny endrika nisehoan’ny hetsi-bahoaka tany, ary ny tany koa no nanompanan’ny Fitondrana jadona Pisodia ny paikadiny tamin’ny alalan’ireo herim-pamoretany. Izay no nahatonga ny vahoaka naripaky ny Pisodia tany atsimon’ny Nosy ho nahatratra 3 000 tamin’izany no namoy ny ainy.

Iny raharahan’ny 1 aprily 1971 iny no karazan’ny don-tokana nanaitra ny vahoaka malagasy hitraka sy hijoro rehefa misy fahatsapany fa efa tsy zaka leferina intsony ny fampahantrana ampiziogain’ny mpitondra fanjakana aminy, rehefa hitany fa efa mihoatra ny valan’ny fahanginana ny fanosihosena ny zon’olombelona ataon’ny mpitondra, rehefa tsinjon’ny vahoaka fa ampy izay ny fampiziogana fahoriana isanandro sy fanakorontanam-piainana mandavan-taona azy… ka zary tondro tokana niteraka ny raharaha may 1972.

Ny tsy azo tsinontsinoavina amin’ny vanim-potoana ahatsiarovana ny raharaha toa ireny tamin’ny 1971 ireny toa izao dia tsotra. Raha mieritreritra ny fitondram-panjakana mitana ny fahefana fa “tsy azo refesina izy amin’ny fangejana ny fitantanana ny firenena”, dia diso izy satria efa vita vakisiny fanefitra amin’ny fijoroana tsy hanaiky lembenana intsony amin’ny fanosihosena ny zo aman-kasiny ny vahoaka, ary ny raharaha 1 aprily 1971 no azo ambara fa loharano nanome ny vahoaka an’izay fahendrena izay.

Fahendrena, hoy izahay, satria raha ny sitra-pon’ny mpitondra fanjakana dia hamitsaka mandrakizay eto ny vahoaka dia manara-po amin’ny fandrobana ny harem-pirenena sy ny fampahantrana ny vahoaka ry zareo.

Ka raha tsiahivina anio ny faha-45 taonan’ny raharahan’ny 1 aprily 1971 dia sarotra ny tsy hampivoitra fa vaninandro iray tsy azon’ny taranaka malagasy hamaivanina sy hohadinoina izy io na dia miezaka mandrakariva manototra ny tantaram-pirenena marina eto tsy hipoitra aza ny mpitondra fanjakana nifandimby teto.

Ezahin’ny mpitondra fanjakana totofana sy tsy ampahafantarina ny taranaka fara-mandimby tokoa mantsy ny tantaran’ny firenena malagasy satria henatra ho an’ny mpanjanantany frantsay sy ny mpitondra fanjakana nataon’ny frantsay saribakoly teto ny fijoroan’ny vahoaka manohitra ny tsy rariny, manilika ny tsy ara-pahamarinana mbamin’ny loharanom-pampahantrana rehetra teto.

Tsy fahadisoana koa anefa ny milaza fa izany rehetra izany dia mety ho zava-poana raha tsy nisy olona nahasahy nijoro nitarika teto ka iray tsy azo fafana eo amin’ny tantaran’ny firenena malagasy tamin’izany ny anaran’i Monja Jaona.