Vavolombelona iray no nitantara ny zavatra niainany tao amin’ny kaominina Ambalakin-dresy ao amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa, Faritra Mahatsiatra Ambony. Marihina aloha fa tena mihetsika mafy ny asan-dahalo ao amin’ity distrika ity amin’izao fotoana izao sy tao anatin’ny volana maromaro. Azo lazaina fa osa tanteraka ny zandary izay mitandro ny filaminana any eo anatrehan’ity asan-dahalo ity.

Mpitrandraka vatosoa avy any amin’ny faritr’Antsiranana ity mitantara ary mijoro ho vavolombelona ity. Tsy afaka nilaza ny anarany izahay satria nisy ny fihetsika mamoafady nampiharin’ny dahalo tamin’izy ireo ka henatra eo imason’ny fiaraha monina izany. Vaky ny kariera iray ao amin’ity kaominina ity ka tany aminy faritra manamorona ny ala somary avaratra atsinan’ Ambalakindresy no misy azy. Toa ny fanaon’ny mpitrandraka vato ireny dia mandeha miaraka amin’ny vadiny izy ireo. Rehefa mody na hiala tao amin’ny kariera dia mandeha andiany hatrany amin’ny 50 na 80 raha kely indrindra no olona iray dia. Eny an-dàlana nefa dia mifandao ihany satria misy ny afaka mandeha mafy, ary misy ny tsy afaka. Voatery 10 na 15 sisa no iray dia. Misy vehivavy sy lehilahy izy ireo amin’izany araka ny voalaza. Rehefa tonga teo amin’ny ala mampisasaka ny làlana, dia tonga tokoa ny dahalo efa ho 80 ka hatrany amin’ny 100 isa. Misy olon-dehibe, misy vehivay ary misy tanora mbola mpianatra amin’ny CEG izy ireo. Samy mitondra fitaovam-piadiana avokoa. Avy hatrany dia nokapohiny sy nokaravasiany avokoa ireo mpitrandraka vato. Avy eo dia nalainy ny entana rehetra. Nasainy nalaina koa ny ankajo teny ankoditra rehetra ankoatra ny silipo. Navahan’izy ireo ny vehivavy ka naolan’izy ireo teo imason’ny vadiny sy ny anadahiny. Tsy nisy afaka namaly izy ireo na iray aza. Ny vehivay anefa mikiakiaka noho ny fifandimbiasan’ireto dahalo ireto taminy. Ny vehivavy dahalo moa tamin’izany nalefany nitondra ny entana azony avokoa. Rehefa vita ny nataony dia mbola nokapohiny koa ny lehilahy niseho ho matanjaka. “Tsy afaka nanao na inona na inona aho nahita ny vadiko naolan’izy ireo teo imasoko ary mikiakiaka izay tsy izy”, hoy ity nitantara. Nijery sady natahotra, ary nivavaka mafy. Tamin’izay dia nilaza ity lehilahy ity fa efa lasa lavitra ny asan-dahalo aty amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa ka tokony hijery akaiky izany ny fanjakana. Silipo avokoa no nentina namonjy ny renivohitry ny kaominina tao Ambalakindresy tamin’io fotoana io.

Toe-javatra nitranga tamin’ny volana febroary teo io araka ny voalazan’ity. vavolombelona ity.