Miezaka mandresy lahatra ny vahoaka malagasy ny amin’ny hahazoantsika malagasy tombontsoa amin’ny fandraisana ny fivoriana an-tampon’ny Frankôfônia ny fitondram-panjakana malagasy. Mitady ny fomba rehetra koa handresena lahatra ny mpiara-miombona antoka ao anivon’ny vondron-tany Frankôfôna ny fitondrana amin’izany.

Tsy mitovy amin’ny fanao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mantsy ny eto amintsika. Ny any rehetra any, rehefa handray fivoriana an-tampony goavana toa ireny dia efa eo hatry ny ela ny fotodrafitrasa rehetra ho amin’izany ka na inona horaisina na rahoviana handraisana azy, dia tsy mila ary tsy mitaky ny hifantohan’ny hery rehetra ao satria efa mipetraka hatry ny ela ny zavatra rehetra. Ny eto amintsika kosa, ny fandraisana an’ilay fivoriana na fihaonana iraisampirenena no fepetra fototra hiheverana ny mba hikarakarana ny fandraisana. Dia mifantoka ao ny hery sy ny olona rehetra ary toa tsy misy zavatra hafa atao fa ao avokoa no aompana ny eritreritra.

Jereo, ohatra, fa nandray ny lalaon’ny Nosy (Jeux des Iles) isika malagasy tamin’ny 1998 vao nihazakazaka nanangana

« Village des jeux » teny Ankorondrano. Nikasa ny handray ny fivorian’ny Vondrona Afrikana isika tamin’ny 2008 vao nihazakazaka nanangana

« Villas presidentielles » eny Ivato sy trano fandraisam-bahiny (hotely) misokajy kintana 5 sy ilay toerana fandraisana fivoriana iraisampirenena (Cci).

Izao indray isika handray ny fivoriana an-tampon’ny Frankôfônia, dia io manao afo ambilany kely io.

Misy aloha ny mahatsikaritra fa tsy hahafeno ny fepetra tena takian’io fivoriana an-tampony io isika ka mety tsy ho voatana ny ho fandraisantsika azy io. Dia ho hita eo izany rehetra izany, fa ny zavatra iray tsikaritra fa toa itavozavozan’ny mpitondra koa dia ny fanendrena masoivohom-panjakana malagasy any ampita any.

Hatramin’izao aloha dia tsy hita izany nefa toa takian’ireo firenena mpiara-miombona antoka amintsika ao anivon’ny Frankôfônia izany fanendrena izany. Ny lehiben’ny diplaomasia malagasy moa efa nanipika fa amin’ny faran’ny volana martsa dia efa hisy ny ho voatendry, nefa hatramin’izao toa tsy hita voaka. Nahoana ? Toa tsy itokisan’ny any ivelany koa ny olona tiana hisahana ny asan’ny ambasadaoro, raha ny re.

Toa ny nandefa ny namana sy havana, ary indrindra ny nanome fahafaham-po an-dRtoa vadin’ny filoha tamin’ny nanendrena an’ireo olony hiasa any amin’ny masoivoho malagasy no vita dia nitsahatra hatreo. Sa tsy manana diplaomaty mahafeno ny fepetra ho ambasadaoro ny Hvm ?