Razaimamonjy Claudine: Karohina sy hosamborina fa nanodinkodina volam-panjakana

Namoaka taratasy fisamborana sy fikarohana an’i ramatoa Razaimamonjy Claudine sy Raharimanantsoa Saholiniaina Jacqueline, ary Randriantsara Linah Sylvie ny avy ao amin’ny fiadidian’ny fisafoan-draharaha amin’ny asam-panjakana (Inspecteur général de l’Etat) etsy Antaninarenina. Izany taratasy izany dia nandeha any amin’ny sekretera jeneralin’ny zandarimaria ankehitriny izay tantanan’ny Jeneraly Paza Didier. Raha ny voalazan’ity taratasy ity:( Jereo la Gazette de la Grande Ile niseho ny alatsinainy faha-04 aprily 2016, ao amin’ny pejin’ny teny frantsay, ao amin’ny voalohan’ny pejy, ary ao amin’ny pejy fahatelo) izay misy ny porofo amin’ny fisamborana ity ramatoa Claudine ity sy ny namany roa hafa. Samy nanontany tena avokoa ny olona rehetra tamin’ny volana martsa 2016 lasa teo iny raha nahita ny gazety teto an-drenivohitra nilaza fa nosamborina i ramatoa Claudine. Nampisamborin’ny praiminisitra dia ny jeneraly Jean Ravelonarivo, satria hono nanodinkodim-bolam-panjakana tamin’ny alalan’ny fanamboarana asam-panjakana? Voalaza tamin’izay fa notazonina nandritry ny ora telo tany amin’ny polisy mpanao famotorana izy. Nandeha anefa ny resaka fa noho ny fidiran’ny olona lehibe eto amin’ny firenena dia noafahana ity ramatoa ity ary nambenana zandary ny tranony eny amin’ny A&C eny Ivato satria izy no tompon’io hotely malaza io. Nandeha tao amin’ny tranonkala sy ny “ facebook” koa ity raharaha ity ary dia samy nanana ny filazany avokoa ny rehetra. Amin’izao fotoana izao izany vao fantatra fa tsy ingahy Ravelonarivo Jean Praiminisitra no nampisambotra an’i Razaimamonjy Claudine, sy Raharimanantsoa Saholiniaina Jacqueline, ary Randriantsara Linah Sylvie izay mpiara-miasa aminy. Ny taratasy avy any amin’ny zandary izay nivantana any amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria io izany no nampisambotra ity ramatoa izay voalaza fa tena akaiky dia akaiky ny filohampirenena ary lehiben’ny HVM (hery vaovao ho an’ny Madagasikara) any Fianarantsoa, ary mbola voalaza koa fa mpanolotsaina manokana ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina. Tsy mahagaga anefa ity fisamborana ity raha tena tany tan-dalàna marina i Madagasikara satria dia voalaza fa vola mitentina 396 492 444 ariary na “2 miliara fmg” latsaka kely io vola io. Izany vola izany dia nahodinkodina tamin’ny tranon’ ny kaominina nohatsaraina tao Ambohimahamasina ao Ambalavao Tsienimparihy tamin’ny taona 2015 lasa teo iny, ary voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana manokana ho an’ny kaominina tamin’ny taona 2014, izay ny minisitry ny Atitany no namoaka azy. Ity kaominina ao Ambohimahamasina ity dia tsy nisy asa natao na kely aza fa noterena handefa ny vola tany amin’ny kaontin’ireo olona roa voalaza eo ambony ireo ilay ben’ny tanàna antsoina hoe Tsabo Pierre sy ny mpitam-bolan’ny kaominina. Tsy vitan’izany fa mbola nampihorohoroana koa. Ny fisafoana nataon’ny fanjakana no nahalalana ny marina rehetra amin’izao raharaha izao. Misy koa ny minisitra voatonontonona amin’io raharaha io ka ho hitantsika ihany ny ho tohiny. Volaza koa fa mbola misy asa maro fanamboarana asam-panjakana mbola mahavoarohirohy ity ramatoa Claudine Razaimamonjy ity. Ho hitantsika miandalana ihany ny ho tohin’izany. Raha tena tany tan-dalàna, ary manaja ny demokrasia marina ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina dia tokony hamporisika ny zandarimaria manao ny famotorana ity raharaha ity. Voalaza fa rehefa ity ramatoa ity no maka vola ao amin’ny fanjakana dia malala-tanana sy tsy misy sakana fa mandeha ho azy ny ao amin’ny minisiteran’ny Vola izay tantanin’ny minisitra Gervais Rakotoarimanana ao.

DR

Comments are now closed for this entry