Mahay mody miady ity fanjakana ity. Mahay mifanilika andraikitra koa, ary mbola mahay mihatsara velatsihy ihany eo anatrehan’ny tsy fahavitan’ny zavatra eto amin’ny firenena. Nanambara ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina omaly alatsinainy faha-04 aprily 2016 teny amin’ny Jirama Mandroseza mahakasika ny fitroaram-bahoaka nataon’ny mponina eny Ambohipo, Andohan’i Mandroseza, Ambolokandrina ary Ambatoroka tamin’ny zoma 1 aprily 2016 lasa teo. Nosakanan’ny taxi-be ny lalana teo Andohan’i Mandroseza izay tena ratsy dia ratsy tokoa. Tsy navelan’ny vahoaka sy ny mpitatitra hiala teo koa ny filohan’ny antenimierandoholona Honoré Rakotomanana. Taorian’izay dia nanapa-kevitra avy hatrany ny mpitondra fanjakana fa hamboarina ity lalana ity. Ny harivan’io zoma io dia efa tonga ny mpiasa sy ny fiara mpanamboatra lalana nanao izay ho afany hanatsarana ny lalana mba ho azo haleha aloha. Nametraka fepetra nefa ny mponina eny amin’ity toerana ity fa mbola hitokona eo amin’ity toerana ity sy hanao fihetsiketsehana mafimafy kokoa raha toa ka tsy hatao manara-penitra izany. Omaly alatsinainy faha-04 aprily 2016 dia nanome tsiny mafy ny minisitry ny Asa vaventy ny filohampirenena amin’ny tsy fahavitan’io lalana io. Nilaza izy fa efa tokony hamboarina izany nefa dia mbola tsy nanao izany ity minisitra ity. Niandry ny fitroaram-bahoaka hoy izy vao mikoropaka. Ny mahagaga amin’izany dia ny fomba fiasan’ny fanjakana ankehitriny. Ny minisitra izany dia afaka tsy manaraka ny baikon’ny lehibeny? Mahagaga ihany izany satria tsy dia fahita loatra ny toa izao, ary dia mbola sahin’ny filohan’ny repoblika koa ny milaza izany eny imasom-bahoaka sy eo anatrehan’ny mpanao gazety. Sao dia efa manomboka mikomy amin’ny filohan’ny repoblika koa sanatria ingahy Roland Ratsiraka? Ny zava-misy aloha hatreto dia izao. Ny fanamboarana fotodrafitrasa rehetra eto amin’ny firenena, indrindra fa ny fanamboarana lalana dia natao ao amin’ny minisitera iadidian’ingahy Rivo Rakotovao avokoa. Sao dia mba tsy Roland Ratsiraka no tomponandraikitra amin’io fa ingahy Rivo Rakotovao? Io ilay tanan-kavanan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ankehitriny ary mety hisolo azy raha toa ka misy ny fiovan-javatra eto amin’ny firenena satria sady lehiben’ny HVM koa. Anaovan’ingahy Rivo Rakotovao praopagandy ankehitriny ny tsy fahavitan’i Roland Ratsiraka ny lalana eo Andohan’i Mandroseza. Omaly alatsinainy tolakandro faha-04 aprily 2016, dia efa nandefa teknisianina marobe teny an-toerana ingahy Rivo Rakotovao nijery ny hanamboarana haingana io lalana io. Tena lasa fanaovana praopagandy indray ilay asa. Dia manao sangodim-panina indray ny fanjakana ankehitriny eo anatrehan’ny tsy fahombiazany. Manary dia ny vahoaka ka mifanaratsy an-toerana. Tsy tokony hisy ny fanilihina andraikitra amin’izy telo mirahalahy ireo fa samy tomponandraikitra amin’io lalana tsy vita io izy ireo. Ny mazava hatramin’izao dia ny fatahorana vahoaka hi-grevy, ka raha toa ka te hahazo zavatra amin’io fanjakana io dia manao fihetsiketsehana fa mikoropaka izy ireo.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao