Manomboka mipoitra tsikelikely ny marina mahakasika ny zava-miafin’ny tantaram-pirenena tamin’ny andron’ingahy Ravalomanana Marc nanomboka ny taona 2001, izay niatombohan’ny krizy mavaivay teto amin’ny firenena tamin’izao fiatombohan’ny taona arivo fahatelo izao. Nanomboka tamin’ny krizin’ny taona 2001 sy 2002 iny dia maro ny zavatra potika teto amin’ny firenena. Famonoana olona, fanagadrana olona tsy amin-drariny ho an’ireo izay tsy mitovy hevitra. Fandoroana fananan’olona sy fananam-panjakana ary fanapotehana fananam-pirenena iombonana. Izany dia mbola nitohy hatrany amin’ny fanodinkodinana volam-bahoaka sy fananam-pirenena ka nanaovana tantely afa-drakotra ny banky foibe sy ny tahirimbolam-panjakana maro. Toa fananan’ingahy Ravalomanana Marc sy ny mpomba azy akaiky ity Madagasikara ity tamin’izany fotoana izany. Tsy tenenina intsony ny fanaovana ampihimamba ny fananam-panjakana sy ny fitantanan-draharaham-panjakana ka izay tsy TIM tamin’izany andro izany dia miandry ny fanagadrana raha toa ka mitsikera ny zavatra ataon’ny mpitondra fanjakana. Nieritreritra ny tenany ho toa ireny mpanjaka tsy refesi-mandidy ireny ingahy Ravalomanana Marc tamin’izany fotoana izany. Manomboka miseho ankehitriny ny marina tamin’ireny fotoana ireny. Toa ny filazan’ingahy Mamy Rakotoarivelo tamin’ny olona ao amin’ny fiadidiana ny repoblika ankehitriny hoe : omeo ahy ny tombotsoako amin’ny maha filohan’ny andrim-panjakana ahy tamin’ny tetezamita, fa izaho tsy toa an’ingahy Ravalo-

manana Marc nangalatra volam-panjakana. Ingahy Mamy Rakotoarivelo izay minisitry ny Serasera ary filoha lefitry ny antenimierampirenena tamin’izany fotoana izany. Ity olona ity koa no isan’ny namorona ny antoko tiako i Madagasikara (TIM) tamin’ingahy Ravalomanana Marc. Azo lazaina fa niray petsapetsa tanteraka tamin’ingahy Ravalomanana Marc i Mamy Rakotoarivelo ity. Nitazona ny tsiambaratelo rehetra momban’ny fiainan’ny TIM sy ny fitondrana nisy tamin’izany fotoana izany. Izy koa dia mbola lehiben’ny delegasionina tao amin’ny firehana TIM tamin’ny taona 2009 iny, ka nisolo tena an’ingahy Marc Ravalomanana Marc teto Madagasikara raha toa ka nanao sesin-tany ny tenany tany afrika atsimo ity filoha teo aloha ity. Mazava ho azy izany araka ny tenin’ingahy Mamy Rakotoarivelo io fa nangalatra volam-panjakana ingahy Ravalomanana Marc. Nisy dia nisy tokoa koa ny fanodinkodinana ny volam-panjakana tamin’izany, nefa dia very anjavony fotsiny izany hatramin’izao. Porofo akaiky amin’izany ny mbola fitakian’ny fanjakana ny vola ananan’ny fanjakana amin’ny orinasa Tiko izay fananan’ity filoha teo aloha ity, ka mbola tsy ahafahany misokatra hatramin’izao.

Tsy izay ihany no zava-miafina mipoitra ankehitriny mahakasika ny raharaha politika teto amin’ny firenena iny fa ny raharaha fandoroana sy fanimbana fananam-panjakana tamin’ny taona 2009. Ingahy Rina AndriamandavyVII izay senatera amin’izao fotoana izao avy amin’ny antoko HVM(hery vaovao ho an’i Madagasikara),izay antokon’ingahy Hery Rajaonarimampianina, dia nolazain’ingahy Lylison dit Réné izay senatera ihany koa ary kolonely tao amin’ny zandarimaria ary niandraikitra ny hery manokan’ny fanjakana tetezamita (Force intervention spéciale) amin’ny zandarimaria nametraka fiatoana. Tamin’ny herinandro lasa teo iny, taorian’ny fametrahana voninkazo tetsy Ambohijatovo sy teny amin’ny fasan’ny maherifon’ny firenena tamin’ny fankalazana ny andron’ny faha-29 martsa 1947, ka nanakanana ity kolonely ity ny mpiara-dia aminy tsy hanao izany fahatsiarovana izany. Vokatr’izany dia nisy savorivory politika indray. Namaly izany ingahy Lylison ka nilaza fa ingahy Rina Andriamandavy VII no nandoro ny TVM sy ny RNM izay haino amam-jerim-panjakana tamin’ireny fotoana ireny, ary mbola nitarika ny fandorana ny MBS koa. Tamin’ireny fotoana ireny dia mbola lehiben’ny TIM . Izany fifamaliana izany dia naseho ampahibemaso teto Antananarivo tamin’ny haino aman-jery iray tsy miankina.

Tamin’ny taona 2001 volana jona dia nisy nanapaka ny tetezan’ny Fatihita tao avaratr’Ambositra. Nosamborina tamin’izany ny olona maro izay avy amin’ny mpomba ny Amiraly Didier Ratsiraka izay nifanandrina tamin’ingahy Ravalomanana Marc. Nigadra tamin’izany i Ra-Merci sy Denis-be izay depioté avy ao Antsirabe, satria izy ireo no voampanga fa nanapaka ity tetezana ity. Izany dia mbola niampy olona 30 koa avy any Ambositra izay mbola saika hosamborina. Niseho anefa ny marina ny taona 2005 tamin’ny faha-24 septambra, raha nisy ny fitsarana ity raharaha ity teo amin’ny fitsarana Anosy ka tamin’izay no nahalalana fa kolonely roa sy miaramila 10 lahy no nalefan’ingahy Ravalomanana Marc sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena dia ny Jeneraly Mamizara nanapoaka iny tetezana iny. Tsy nety nanala ny akanjo maha kolonely sy miaramila azy ireo voampanga tamin’izany fa nanao fanamiana miaramila. Hatramin’izao dia tsy nisy tohiny iny raharaha iny nefa tokony ho fantatry ny vahoaka. Mbola raharahan’ny tarik’ingahy Ravalomanana Marc avokoa izany. Santionany amin’ny zavatra nafenina teo amin’ny firenena ireo ka misy miseho ho vavolombelona izany ankehitriny. Ny fanadihadiana fanindroany mahakasika ireny raharaha ireny dia azo lazaina fa mbola ilaina dia ilaina mba hisian’ny mangarahara eto amin’ny firenena. Ilain’ny tantara izany ary takian’ny lalàna ihany koa ka tokony hotanterahana. Ny tany mandàla ny demôkrasia dia manara-dalàna sy tan-dalàna, ka raha tiana ny hanarina ny firenena amin’izao fahavoazana mafy mahazo azy izao dia ilaina ny fahafantarana ny marina amin’ity firenena ity.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

 

Tsy mateza ny lalana satria….: Misy koa ny fanamboarana tsy manara-penitra

Tsy naka sarotra akory ny tale jeneralin’ny ministeram-panjakana misahana ny fanajariana ny tany, dia i Gérard Andriamanohisoa, nanilika ny rihitra any amin’ny fanotofan’ireo mponina teny amin’ny manodidina an’Andohan’i Mandroseza tany nefa tsy nanaraka ny fenitra, ary tsy nahazo alalana avy amin’ny tomponandraikitra, hono.

Tsy dia manda mivantana sy ankitsirano an’izany isika, ary raha ny tena izy koa aza dia marobe ny toerana tsy nanaraka ny fenitra amin’ny fanajariana ny tanàn-dehibe eto Antananarivo tamin’ny fanotofana azy ireny.

Ny tsy azo hadinoina koa anefa dia tsotra. Aoka tsy ny fanotofana tany nahazoana alalana na tsia no atao foto-dresaka rehefa misy olana mitranga. Marobe amin’ireo tany nototofana teto, na Malagasy olom-pirenena tsotra nanototra azy na orinasan’ny malagasy na teratany vahiny toa ny karana. Matetika mantsy no ahenoana fa nisy sisi-bola na kolikoly nahazoan’izy ireny alalana ara-panjakana, saingy tsy manaraka ny fenitra takian’ny fanotofana tany koa, nefa dia inian’ny mpitondra fanjakana tsy asian-teny izy ireny rehefa miresaka ity olana tsy fivoahan’ny rano ity isika.

Sa ve efa nahavita nanangana tranobe ireny sokajin’olona nanao kolikoly ireny ka tsy azo atao intsony ny mandray fepetra amin’izy ireny na tena loharano miteraka ny tsy fahafahan’ny rano mikoriana aza? Satria ve ny tranon’ny Malagasy miorina amin’ireny toerana ambara fa misakana ny fikorianan’ny rano ireny matetika an’ny madinika ka tsy ahoana na arodana tsy misy indra-fo aza?

Izahay tsy miaro mihitsy an’ireny fanorenana tsy manara-penitra ireny mihitsy, na nahazoana alalana na tsia, indrindra fa miteraka fahavoazana ho an’ny besinimaro, saingy tsy azonay ekena kosa ny fanavakavahana ka ny Malagasy madinika ihany no ampiharana ny fepetra fa ny vahiny toa ny karana dia jerem-potsiny, nefa samy miteraka olana ho an’ny maro ny fotodrafitrasa atsangan’izy ireny.

Etsy an-kilany, tsy ampahafirin’ny tetik’asa irosoana koa anefa ireny ka nahoana no tsy ahitan’ny tomponandraikitra vahaolana afa-tsy ny mandrodana tranon’olona. Izahay dia milaza fa misy vahaolana azo irosoana amin’ny fampiasana teknika mahomby amin’ireny fitadiavana lalana hikorianan’ny rano ireny fa tsy voatery handrava tranon’olona. Anjaran’ny fitondram-panjakana ny mitady an’izay vahaolana teknika izay.

Nahoana no azo atao tsara ny mandavaka any ambanin’ny tany any, mba ho lasa lalamby (Metro), ohatra, nefa tsy mandrava trano na tanàna, ka nahoana no tsy hahita vahaolana ho an’izany ny teknisianina rehefa hametaka fantsona hikorianan’ny rano any ambanin’ny tany any?

Finiavana hitady tany malemy hanorenam-pangady no masaka ao an-tsain’ny fitondram-panjakana raha tsy miroso amin’ny fitadiavana vahaolana toa izany ry zareo. Vahaolana mora kokoa mantsy, ho an-dry zareo ny mandrava tranom-bahoaka, nefa misy vahaolana ara-teknika hafa azo ampiharina.

Fa etsy ankilany, tsy misy tsy mahafantatra koa fa mora simba ny lalana eto na fotodrafitrasa hafa, satria zara fa vita na tsy nampanajaina ny fenitry ny fanaovan-draharaha momba izany (règle de l’art).

Raha 40 santimetatra, ohatra, ny voalazan’ny fenitra fa hatevenan’ny vatokely sy simenitra ao ambanin’ny tara na “goudron” ao, dia ataon-dry zalahy 20 santimetatra. Tsy mahagaga, noho izany, raha simba vetivery ilay lalana.

Tsy ahoan’ny tomponandraikitra ara-panjakana izany satria nisy kopaka nifampisasahana teo amin’ilay nanao sonia ny fifanarahana sy ilay mpiantoka ny asa.