Tsy avelan’ny mpamatsy vola iraisampirenena hikarakara ny vahoaka mihitsy ny mpitondra fanjakana eto. Sehatra iray hampiharany an’izany indray koa izao ny fampianarana ambony na ny oniversitem-panjakana malagasy .
Nodinihana koa mantsy izao ny hoe “tsy hisy intsony ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra amin’ny ankapobeny fa ho an’izay mendrika eo amin’ny fahaizany sisa”.
Raha ny mahay tokoa no mendrika homena vatsim-pianarana dia mety ho rariny ihany amin’ny fotoana sasany, saingy tsy tokony hohadinoina fa tsy fidiny ho an’ny zana-bahoaka ny tsy hahay. Tsorina fa tena fototry ny fahombiazan’ny mpianatra amin’ny fianarana ankehitriny tokoa ny vatsim-pianarana raha ho an’ny zana-bahoaka. Aza hadinoina fa misy amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra malagasy no mivarotra ny taninketsany sy ny akoho mikotrika mba hiantohana ny fahatafitan’ny taranaka amin’ny fianarana, ary maro amin’ny mpianatra malagasy no mahatsapa ny maha-zava-dehibe an’izany fianarana izany ka mikiry manao sorona zavatra maro mba hahatafita azy.
Ny fahasahiranana nateraky ny tsy fahombiazan’ny fanjakana sy ny fanakorontanam-piainam-bahoaka ataon’ny fanjakana amin’ny fiainam-piarahamonina andavanandro no tena vesatra miteraka tsy fahafahan’ny fianakaviana malagasy misitraka ny fepetra tokony hahata-
fitan’ny taranany amin’ny fianarana. Izany no foto-kevi-dehibe maha-rariny ny fanampian’ny fanjakana hatrany ny mpianatra amin’ny alalan’ny vatsim-pianarana.
Tokony hotadidian’ny rehetra fa efa 30 taona ange izao no namoahan’ny mpamatsy vola iraisampirenena (Banky Mondialy sy Fmi) fepetra sy baiko ho an’ny fitondram-panjakana malagasy teto ny hanakatonana ny oniversitem-pirenena fa hoe “mandany vola fotsiny”, hono e! Tsy manaiky an’izany mihitsy ny manam-pahaizana malagasy sy ny avara-pianarana satria ny fampianarana ambony no isan’ny fanoitran’ny fampandrosoana ny firenena na izao aza no fahasahiranana ampiziogaina ny tontolon’ny fampianarana ambony.
Etsy ankilany, tsy vahaolana ho an’ny zana-bahoaka ny fampiroboroboana ny oniversite tsy miankina eto satria natokana ho an’ny zanaky ny mpanam-bola izy ireny. Tsy ho afaka hampiana-janaka amin’ireny oniversite tsy miankina ireny mihitsy ny vahoaka. Ankoatra izay, ny mpamatsy vola iraisampirenena no tena mampiroborobo an’izy ireny eto satria tsy ny hamolavola manam-pahaizana sy ho mpikaroka mba ho fototry ny tena fampivoarana ny fiainam-pirenena sy hiantoka ny tena fampandrosoana mirindra sady maharitra eto no tanjon’ny vahiny fa ny hampianatra ny tanora malagasy roa na telo taona aorian’ny fahazoany bakalorea dia lasa “botom-bazaha” eto avokoa.
Tsorina fa fiverenan-dalana izao tetiky ny fitondrana Hvm izao satria raha tsaroan’ny maro dia ny olana mangeja ny zana-bahoaka tamin’ny alalan’ny sekoly miangatra no isan’ny fototry ny hetsi-bahoaka nampidaraboka ny Repoblika voalohany tamin’ny Raharaha 72 e!
Mba satrin’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra malagasy ange raha tafita amin’ny avo indrindra ny taranany, ary mba ho ny herin’ny tenany no hahavitany izany, nefa noho ny geja isan-karazany mamatotra ny fiainany andavanandro, vokatry ny tsy fahombiazan’ny mpitondra fanjakana nifandimby teto, dia tsy afa-manoatra izy, ka izany no nihazakazahany niandrandra vatsim-pianarana ho fanampiana azy amin’ny famitany ny fianarany.
Ekena ary tsy iadian-kevitra ny fisian’ireo tanora kilavaka izay mitango fotsiny ny vatsim-pianarana dia izay. Raha miohatra amin’ny mpianatra malagasy maro te ho tafita anefa izy ireny dia vitsy ihany.
Na io fanomezana vahana ny mpibodo trano tokony ho an’ny tena mpianatra io aza ange ka vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondram-panjakana sy ny kiantrano an-trano nifanaovan’ny tomponandraiki-panjakana isan’ambaratongany dia nohararaotin’ny sokajin’ny mpianatra sasany e! Dia ny zana-bahoaka tena te ho tafita no voahelingelina sy voasakantsakana.
Tokony handini-tena aloha ianareo mpitondra fanjakana alohan’ny handraisanareo fepetra ho an’ny vahoaka fa tsy mety raha ny vahoaka ihany no iandronan’ny rihitra vokatry ny afitsokareo nifandimby nitantana teto e!