Nivoaka tao anatin’ny fahanginany omaly i Tsimondra Tomasy, araka ny efa nambarany tamin’ny faramparan’ny volana martsa teo. Tany amin’ny faritra ny tenako tamin’iny volana martsa iny, hoy izy, omaly tetsy Besarety, ary tany aho no nandre ny tenin’i Irmand fa « milamina sy efa niravona ny Raharaha Anjozorobe ». I Tsimiondra Tomasy izay rahalahin-drain’ilay tovolahy nampitifirin’ny zanaky ny filoha an’ireo mpitandro ny filaminana tany amin’ny toerana fitrandraham-bato any Anjozorobe.

Tonga tao amiko i Irmand sy olona telo niangavy ny tenako hanampy azy ireo sy hiaro azy ireo fa hitaky ny fatin’ny rahalahiny izay nampitifirin’i Mathieu ny mpitandro ny filaminana, hoy i Tsimiondra Tomasy omaly. Dia nametraka fepetra tamin’izy ireo aho, hoy ihany i Tsimiondra Tomasy, fa « tsy mety amin’ny fisainako raha toa ka hanao toa ny havantsika any Tsiroanomandidy ianareo ». Izany hoe nasaina nitarika ny fitakiana ny famaizana an’ireo miaramila namono ny zanakay tany Tsiroanomandidy ny tenako, hoy i Tsimiondra Tomasy. Io faty io dia tsy hita popoka ny lohany hatramin’izao, saingy rehefa nisy olona nitonona fa mahafantatra ny filohampirenena ary milaza fa akaiky ny zanak’Androy dia nihazakazaka nanelanelana tany Tsiroanomandidy, ary nitondra vola 360 Tapitrisa iamg na 72 Tapitrisa ariary nanambatambazana ny namana tany Tsiroanomandidy. Nanambara tamindry Irmand aho fa tsy mety amin’ny fisainako ny toa ireny tany Tsiroanomandidy ireny. Nilokaloka tamiko ry Irmand, hoy hatrany i Tsimiondra Tomasy, omaly fa « tsy hanao toa izany ».

Dia niroso nitaky ary nitarika ny fitakiana ny fatin’ny zanakay novonoina tany Anjozorobe aho, hoy izy, dia ireny niarahantsika nahita ireny. Ka gaga aho fa hay koa nisy olona nanelanelana indray ka nanototra volabe an-dry Irmand dia hoe milamina ny raharaha. Tsia, tsy milamina io, hoy i Tsimiondra Tomasy satria ny mampilamina an’io dia tsy vola fa famaizana sy fampiharana ny lalàna amin’izay tompon’antoka.

Tsy niahotrahotra mihitsy i Tsimiondra Tomasy omaly nilaza fa « mpanao kolikoly ny filoha Rajaonarimampianaina satria izy no nanambara ho ren-tany, ren-danitra fa tsy tany Anjozorobe ny zanako tamin’izany tranga izany, ary izay manana porofo mitsipaka an’izany dia ento », nefa izy ihany no mitondra volabe hanakanana ny fitohizan’ny resaka dia nanao izay hampanginana ny havana. Kolikoly izany ary kolikoly koa no natao tany Tsiroanomandidy satria hatramin’izao dia mbola miriaria tsy voasazy na voaheloka ireo miaramila namono ny zanakay sy nahatonga ny lohan’ny zanakay tsy ho hita popoka. Hentitra i Tsimiondra Tomasy omaly nilaza fa « ity fitondrana tarihin’ny filoha Rajaonarimampianina ity no tena nampahory mafy ny vahoaka indrindra teto hatramin’izay, ary isan’ny araraotiny amin’izany ny volam-bahoaka anakonanay ny marina amin’ny fanaovana kolikoly. Tsy afaka hanaiky an’izany ny tenako, hoy izy, fa tsy maintsy mijoro aho satria tsy raharahan’olona roa na vitsy na raharaham-pianakaviana iray na roa fotsiny ny nitranga tany Tsiroanomandidy na ny niseho tany Anjozorobe fa efa raharaham-pirenena mihitsy. Mino aho fa maro ny tranga toa ireny saingy matahotra ny vahoaka ka tsy mijoro na tsy miteny, fa izaho kosa dia hitarika ny vahoaka hijoro hanohitra izao famotehana ny firenena izao fa ampy izay, hoy i Tsimiondra Tomasy omaly.

Izaho tsy matahotra ny Jeneraly Florens fa ny tiako rehefa mitarika vahoaka ny tenako dia tsy kitihany ny vahoaka fa izaho no mifanatrika aminy ka aza mitondra grenady na etona mandatsa-dranomaso izany ianao, ry Jeneraly Florens fa basy miaraka amin’ny bala entina dia tifiro mivantana aho fa tsy olana raha izay no hahafahana manarina sy mampandroso ny firenena, ary raha izay no hahitan’ny vahoaka ny anjara masoandrony.