Miteraka adihevitra goavana amin’izao fotoana ny akon’ny fikarakaran’ny fitondram-panjakana ny fandraisana ny fivoriana an-tampon’ny tany mampiasa ny teny frantsay na ny Frankôfônia. Maro amin’ny tanimbary sy toeram-ponenan’ny malagasy mantsy no horavaina sy hametrahana na hananganana fotodrafitrasa, toa ny lalana, mba handraisana an’izany fivoriana izany. Maro ny mitaraina fa « tsy hanaiky an’izany satria mila anditra amin’ny vahiny hanatrika an’io fivoriana io indray ny fitondram-panjakana dia ny vahoaka no ahilikilika tsy toa ny olombelona ».
Misy ny mitaky fa « raha trano no arodana dia hanangano trano avy hatrany aloha izahay ». Ao ny mihevitra fa raha tanimbary nivelomana ampolon-taonany maro no halain’ny fanjakana dia soloy tanimbary toa izany koa fa manahirana. Izahay moa ombieny ombieny dia manipika fa diso ny filazana hoe « raha tsy anao ny toerana nohajarianao sy nomaintisinao molaly dia tsy manana zo hitaky onitra amin’izany ianao ». Ny marina sy rariny, ary efa nivoahana didim-pitsarana tamin’ny 1962 dia tsy maintsy omena onitra ara-drariny ny olona tompon’ny fanamaintisamolaly na tsy ara-dalàna aza no nitoerany teo rehefa esorina eo izy. Ny fitondram-panjakana koa moa amin’ity tetik’asa ho fandraisana ny fivorian’ny Frankôfônia ity dia efa nanipika fa « na tsy ara-dalàna aza ny fanamaintisamolaly na fanajariana nataon’ilay olona eo dia haazo onitra izy ».
Ny Me Ôlala Willy Razafinjatovo omaly dia nitaky mihitsy ny hanomezana zo sy hasina an’ireny olona efa nanamaintimolaly ny toerana misy azy ireny satria ampolon-taonany maro no nanaovany izany teo nefa tampotampoka eo, satria te hahazo sitraka amin’ny vazaha ny mpitondra dia hanilikilika toa ny amboa, sanatriavin’ny vavan’ireny olona ireny. Tsy rariny ny fanesorana ny vahoaka amin’ny toerana iariany sy nomaintisiny molaly, hoy ny Me Razafinjatovo Willy omaly, saingy raha tsy maintsy irosoana ny fanalana azy ireny amin’ireny toerana efa nohajariany ireny dia rariny izy raha omena onitra, ary omena azy mialohan’ny fanesorana azy ny onitra fa tsy hatao fampanantenana poakaty hoe « miala aloha ianareo dia homenay aoriana ny onitra ».
Fantatra ihany mantsy ny fanao mahazatra ny mpitondra eto amin’io fampanantenana poaka aty io, hoy ny Me Razafinjatovo Willy omaly, ka tsy mety ny mifamitaka, ka aleo mazava mialoha avokoa ny resaka rehetra dia tsy misy alahelo sy arakaraka any aoriana.
Karaman’ny mpiasa tsy miankina: Nankatoavin’ny governemanta ny fisondrotany
Isan’ny volavolana didim-panjakana nankatoavin’ny fivorian’ny filankevitry ny governemanta omaly ny famerana ny karama farany ambany, na ho an’ireo mpiasa vao manomboka miditra amin’ny asany (embauche) na ireo efa naharitra tamin’ny asany (ancienneté). Ilay karama farany ambany teo aloha izay 133 000 ariary izany dia lasa 144 003 ariary, ho an’ny sehatra tsy eo anivon’ny fambolena. Ny eo anivon’ny asa fambolena kosa dia raha 134 920 ariary ny farany ambany teo aloha dia misondrotra ho 146 060 ariary, ka ireo dia manomboka mihatra ny faha-17 febroary 2016.
Ny didim-panjakana toa izao moa rehefa mivoaka dia mihatra amin’ny rehetra satria tsy misy anavahana, ary ny fanapahan-kevitra namaritana an’izany karama izany dia nateraky ny fifanakalozan-kevitra sy fifanarahana teo amin’ny vondron’ny mpampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa. Marihina fa ny sokajin’asa farany ambany (catégorie professionnelle) « M1 » no mandray an’io karama farany ambany io fa ny hetsiky ny fisondrotan’ny karama amin’ny ankapobeny dia 8, 27%.
Ny tsy fampiharana an’izany didim-panjakana izany moa, raha sanatria misy ny manao rainazy, dia azo toriana eny amin’ny fitsarana.
Ny fanjakana marefo anefa na ny mpitondra fanjakana mpiray tsikombakomba dia tsy afaka ny hampahomby ny fampiharana ny didim- panjakana toa izany mihitsy . Noho izany, mitaky ny firaisankinan’ny mpiasa malagasy amin’ny alalan’ny sendika izany fa raha tsy izany dia ho voahitsakitsa-jo eto hatrany ny mpiasa malagasy.