Nalaza indray tato ho ato ny hoe fijoroana sy fanelanelanan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotomanana Honoré, amin’ny fampihavanana ny Loholona Lylison sy ny Jeneraly Florens Rakotomahanina, na ny loholona Lylison sy ny Loholona Rina Andriamandavy.
Ny fototry ny resaka sy ny olana moa dia ireny tranga teny Ambohijatovo sy Antanimora tamin’ny talata faha-29 martsa teo ireny, raha ho an’i Lylison sy ny Jeneraly Rakotomahanina Florens. Ny akon’iny moa dia nanosika ny loholona Rina Andriamandavy niakatra tamin’ny haino aman-jery nanameloka ny loholona Lylison. Dia namaly bontana an’izany koa na nanakiana mafy ny fihetsika politikan’i Rina Andriamandavy, ankoatra ny fanazavany ny tsy fahamarinam-pototry ny fanakianan’i Rina Andriamandavy azy i Lylison.
Dia nisy tokoa no naneho fankasitrahana ny fihetsiky ny filohan’ny Antenimierandoholona.
Ny tsy tsapa na tsy fantatry ny olona sasany dia olana noho ny tsy fanajana demokrasia no nitranga tamin’ny faha-29 martsa teo, raha ireo tranga ireo no fototry ny adihevitra. Olana nitranga noho ny tsy fanomezan’ny fitondram-panjakana hasina an’ireo maty novonoin’ny mpanjanatany frantsay, ka ny Jeneraly Florens Rakotomahanina no nobaikoina hanery an’ireo mpitandro ny filaminana hanaotao foana tamin’iny andro iny. Fanesorana ny praiminisitra
Minisitra maro no teren’ Iavoloha hametra-pialana
Rehefa manitsakitsaka ny demokrasia sy ny zon’olombnelona ianao na manao herisetra amin’ny mpiray tanindrazana tsy manan-tsiny, rehefa manosihosy ny hasin’ireo ray aman-dreny namoy ny ainy noho ny hetraketraka sy herisetran’ny mpanjanatany, dia raharaham-pirenena no vala famaritana ny adihevitra eo fa tsy fifanolanan’olona roa.
Tamin’ny aprily 1971 ? nahatratra 3000 no maty vokatry ny fandripaham-bahoaka nataon’ny fitondrana Pisodia tany Atsimo raha notarihin’ny Monima sy i Dadamonja nijoro hanohitra ny fitondrana ny vahoaka. Dia i Dadamonja sy ny Pisodia ve no hampihavanina na nisy 3000 aza no naripaky ny Pisodia ka odiana tsy fantatra ny heloka vitan’ny mpitondra ? Totraka izany koa ny raharaha May 1972, izay ampolony no maty teo anoloan’ny lapan’ny tanàna izay lasa kianjan’ny 13 may. Ny namoy ny ainy tamin’ny 10 aogositra 1991 sy ny tamin’ny 7 febroary 2009. Dia haravoravona fotsiny amin’ny fampihavanana ny mpitarika ny hetsika fotsiny ve ny raharaha fa avela tsy ho faty manota ny nahavanon-doza nandripaka ny vahoaka ?
Satria marobe koa ny olom-pirenena malagasy namoy ny ainy vokatry ny hanoanana nateraky ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra nitana ny fahefam-panjakana teto, ny maty noho ny tsy fanjarian’ny fitsaboana eto, ny maty noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana satria tsy voafehin’ny mpitondra izany… ary toraka izany ny raharahan’i Tsiroanomandidy sy ny raharahan’Anjozorobe amin’izao fitondrana Hvm izao. Dia hisy olona hijoro hitarika ny vahoaka hitaky ny zony satria endri-panitsakitsahan-jo izany rehetra izany. Dia hisy ve hihazakazaka hampihavana an’ilay mijoro ho mpitarika sy ny mpitondra nahavanon-doza ka nahafaty ny vahoaka teto ? Dia tsy mba hizaka ny valin’ny heloka vitany, ny vokatry ny tsy fahombiazany mihitsy teto ve izany ny mpitondra ?
Aza manambanimbany lamozika !
Faralahy