Eo anatrehan’ny savorivory politika , ara-toekarena ary ara-tsosialy izay iainan’ny firenena amin’izao fotoana izao dia voatery miverina amin’ny rafitra fototra izay itondrana firenena isika, ka hahafantarana ny antony mahatonga ny olana saro-bahana amin’izao fotoana izao. Mifanilaka andraikitra ny ao anatin’ny fitondram-panjakana ankehitriny, ary mizara roa tanteraka. Ny mpomba ny filohan’ny repoblika dia ny mpikambana ao amin’ny HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara) izay antokon’ny filohan’ny repoblika andaniny sy ny tandapa sasantsasany, izay manilika ny ny praiminisitra Jean Ravelonarivo sy ny mpomba azy ankilany amin’ny tsy fahombiazana sy ny tsy fampandehanana ny raharaha eto amin’ny firenena, fa indrindra ny fampandrosoana. Ny praiminisitra Jean Ravelonarivo indray raha mitafa amin’ny mpanao gazety na miseho vahoaka dia milaza hatrany fa ny fandaharan’asan’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina no tanterahany. Tao anatin’ny enim-bolana anefa izay dia somary nangingina ny fanatanterahana ny RRI na ny programan’asan’ny minisitra tsirairay ao amin’ny governemanta izay tsy maintsy tanterahana ao anatin’ny 100 andro noho ny disadisa anatiny misy amin’ny fanjakana. Dia mazava tamin’ireny fotoana ireny fa ny PND izay nataon’ingahy Kolo Roger tamin’ity olona praiminisitra voalohany tamin’ity fanjakan’i Hery Rajaonarimampianina ity dia nametrahan’ny mpamatsy vola fanakianana marobe, ka isan’ny tsy maintsy nanesorana an’ingahy Kolo Roger tamin’ny filohan’ny governemanta. Rehefa voatendry ho filohan’ny governemanta indray ingahy Ravelonarivo Jean izay praiminisitra amin’izao fotoana izao, dia nanao ny PMO na ilay drafitra fampandrosoana nasolo ny PND izay nomena anarana hoe “ Paikady natao dinan’asa” ka nasiana ny fanatanterahana izany amin’ny alalan’ny “paritra Malagasy zary ohabolana”. Ity PMO ity no nahazoan’ny Malagasy famatsiam-bola izay manomboka amin’izao fotoana izao na (tetikasam-pampandrosoana nasionaly ) ary niverenan’ny fahatokisan’ny komity iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola avy any ivelany indray.
Ankilany indray dia tsy misy mihitsy ny praograman’ asan’ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina. Ny filohan’ny repoblika ireny dia tokony hanolotra amin’ny vahoaka mifidy azy ny vinam-piarahamonina (projet de société) izay sori-dalana hitondrany ny firenena. Ka amin’izany no hamariparitana ny tetik’ady rehetra amin’ny sehatry ny fampandrosoana, na ara-toekarena izany na ara-tsosialy sy fanabezana sy ny sisa. Mbola io vinam-piarahamonina io koa no mametraka mazava tsara ny fotokevitra ara-politika hitondrana ny firenena. Izany dia tsy maintsy ampiarahana amin’ny tetik’adim-pampandrosoana hitondrana ny firenena na ny (projet de développement). Indrisy fa tsy manana io ingahy Hery Rajaonarimampianina ka voatery mandeha anjambany amin’ny fitondrana ny fanjakana. Ny sisa azony nataony dia nanangana minisitera iray izay nantsoina hoe “minisitera mpanatanteraka ny tetikasan’ny filohampirenena” izay ao amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, ka tantanan’ingahy Rivo Rakotovao izay filohan’ny HVM sady tanan-kavanan’ny filohan’ny repoblika. Zavatra hafa tanteraka no ataon’ity minisitera ity fa tsy mahafeno ny fepetra amin’ny fampandrosoana ny firenena izany. Ny tena olana aza dia lasa ao amin’ity minisitera ity avokoa no mivangongo ny tetik’asa rehetra ka lasa olana eo amin’ny minisitra ao amin’ny governemanta lasa nifangaro ny andraikitra. Izany no ilazana fa tsy manana praograman’asa hitondrana firenena ingahy Hery Rajaonarimampianina fa manao fampandriana adrisa fotsiny ihany. Izany no olana fototra amin’ny fampandrosoana ny firenena izao, ankoatra ny tsy fahaizana mitantana sy ny fanararaotam-pahefana ataon’ny olona manodidina azy, fa indrindra ireo vehivavy izay milaza fa mpanolotsaina azy ireo, ka maha be resaka eto amin’ny firenena ankehitriny.
Jesy Rabelaolao