Lasa ivom-baovao teto an-toerana ny hetsi-pitokonan’ny mpitatitra sy ny mponina teny Andohan’i Mandroseza tamin’ny zoma, noho ny tsy fikarakaran’ny fanjakana ny lalana eny ka tena nampijaly ny mponina sy ny mpampiasa lalana.

Teo amin’ny lafiny politika aloha dia nohararaotin’ny HVm hanilihana ny rihitra tany amin’i Roland Ratsiraka, minisitry ny Asa vaventy io olana io. Toa ny minisiteran’ny Asa vaventy mantsy no nanao fampanantenana poaka aty tamin’izy io, ka nihazakazahan’ny minisiteram-panjakana tarihin-dRakotovao Rivo izany. Mbola nampian’ny filohampirenena Rajaonarimampianina koa ny alatsinainy teo raha teny amin’ny foibe famokarana ranon’ny Jirama izy fa « efa nanome baiko ny tenany momba an’io lalana io fa tsy nihetsika ny tomponandraikitra ».

Eo amin’ny lafiny sosialy kosa dia nohararaotin’ny fitondrana Hvm ny nampihorohoro an ’ireo mponina fa « raha tianareo hamboarina io lalana io dia tsy maintsy manaiky sy mankato ny fepetra apetrakay ianareo ». Dia isan’izany ny hoe « nanangana trano tsy ara-dalàna », « eo ambony tata-drano no nanorenana trano », sy ny hafa.

Tsy nanda ny hanamboarana ny lalana ny mponina saingy mitsipaka kosa ny fandrodanana trano, ankoatra ireo miorina ambony tatatra tokony hivarinan’ny rano.

Fantatra mantsy fa harodana ny tranon’olona manamorina an’iny lalana iny satria hakana hatramin’ny 15 metatra iny toerana iny.

Lasa olana iray hafa koa izany izy io.

Izahay teto dia efa nanipika fa na nahazoana alalana na tsia ny fanotofana tany sy fanorenana trano, na manaraka ny fenitra takian’ny fanajariana ny tany ny trano naorina na tsia, andraikitry ny fanjakana ny mikaroka ny teknika hametrahana ny fantsona hivarinan’ny rano mba tsy hiteraka tondra-drano sy hitarika fahapotehan’ny lalana haingana. Azo atao tsara izany fa tsy hitady tany malemy hanorenam-pangady isaka ny mihetsika ny fanjakana. Nahoana, hoy izahay teto, no azo atao tsara ny mandavaka any ambanin’ny tany hametrahana fotodrafitrasa ho amin’ny lalam-by (metro) nefa tsy mandrodana ny trano eo ambony, ka tsy ho vitan’ny teknisianina ny mitady hevitra ara-teknika tsy handrodanana ny tranom-bahoaka nefa afaka mametraka fantsona any ambanin’ny tany any hikorianan’ny rano.

Tsy mampirisika ny mponina eny Andohan’i Mandroseza sy ny hafa hanohitra ny fepetra tian’ny fitondrana hanaovana ny tetikasanay izahay fa misarika ny fisainan’ny maro ny amin’ny hoe « rehefa tsy hitady teknika mahomby ka sady mahavoatsinjo ny fanjakana no tsy mikitikitika ny tombontsoan’ny mponina ny tetik’asa iray, tsy fahotana mahafaty na henatra ny manaiky sy miaiky dia mametra-pialana e ! »

Mahazoarivo: Masoivoho vahiny roa no nitsidika ny praiminisitra

Omaly alarobia faha-06 aprily 2016 maraina dia masoivoho vahiny roa no nitsidika ny praiminisitra Jean Ravelonarivo teny amin’ny lapam-panjakana eny Mahazoarivo. Ny ambasadaoro frantsay ramatoa Veronique Vouland izay nampian’i ramatoa Xavière Simioni, magistrat, lehiben’ny sampandraharahan’ny fiarovana amin’ny kolikoly frantsay, sy ramatoa Eliane Houlette mpitsara frantsay amin’ny raharaham-bola. Mahakasika ny ady amin’ny kolikoly no nifampidinihana tamin’izany. Voalaza fa ho hamafisina ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta amin’ity sehatra ity. Hisy tetika vaovao hampiharina amin’izany, izay voalaza fa mbola mipetraka ho tsiambaratelo aloha.

Ny ambasadaoron’i Iran indray no tonga nanamafy fiaraha-miasa amin’ny governemanta ka ingahy Moniri Nik Mohamad no nitarika ny delegasionina tamin’izany. Voaresaky ny roa tonta ny fanatsarana ny fiaraha-miasa fa indrindra amin’izao fotoana niverenan’i Iran amin’ny fianakaviambe iraisampirenena izao. Ny sehatry ny fampianarana, ny varotra ny fambolena no tena hifantohan’ny fifanampiana. Hampiana isa ny mpianatra malagasy ho any Iran, ary hisy hatramin’ny mpianatra hanao doctorat. Hisy delegasionina malagasy ho any amin’ity firenena ity koa handinika izany.

J.B