Nifampiavonavona imasom-bahoaka i Hery Rajaonarimampianina, filohampirenena, sy i Jean Ravelonarivo ; praiminisitra ny talata teo raha avy nanatrika ny fotoam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’ny tale jeneraly vaovao mitantana ny sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola (Samifin). Raha nanontanian’ny mpanao gazety ny praiminisitra hoe « aiza ho aiza izao ny fifandraisanao amin’Atoa Filohampirenena », dia namaly izy hoe « anontanio azy fa izaho tsy hamaly anareo mihitsy na inona hanontanianareo na inona ». Dia nanontaniana indray ingahy Filohampirenena dia nitovy ny valin-tenin-dry zareo.

Omaly anefa, taorian’ny nandraisan’ny praiminisitra Ravelonarivo ny masoivohom-panjakana frantsay teny Mahazoarivo, niaraka tamin’ireo teknisianina roa avy amin’ny fitondram-panjakana frantsay, mba hifanome tanana ( ???) amin’i Madagasikara momba ny ady amin’ny kolikoly dia niova indray ny tenin’Ingahy praiminisitra. « Manga ny lanitra raha ny fifandraisako amin’ny filohampirenena ary tsy misy olana izany na fifandroritana fa ny mpitazana moa samy mandika araka izay heviny ka tsy ferana ».

Tena nanaitra io tenin’ny praiminisitra Ravelonarivo omaly io.

Avy hatrany dia lasa tany amin’ny taona 2006 ny fisainana. Tamin’izany fotoana mantsy dia nifanolana mafy ny filohampirenena Ravalomanana sy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Lahiniriko Jean.

Taorian’ny fivahinianan’i Lahiniriko Jean tany Iran dia nisy resaka fiaraha-miasa momba ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny tany roa tonta tany, ka isan’ny voaresaka ny ho fanafaran’i Iran ioraniôma aty Madagasikara. Niteraka fifanolanana teo amin’ny samy Tim izany satria noteren’ny amerikanina Ingahy Ravalomanana hibedy an’i Lahiniriko Jean satria ho voatohintohina ny tombontsoan’i Amerika raha miara-miasa matotra amin’i Iran i Madagasikara. Dia efa niroso tamin’ny fanonganana an’i Lahiniriko Jean tsy ho filohan’ny Antenimierampirenena intsony ny Tim tamin’izay.

Raha nandalo teto anefa ny filohampirenena frantsay, Jacques Chirac, dia isan’ny nihaonany ny filohan’ny Antenimierampirenena Lahiniriko Jean. Taorian’ny fihaonan’izy roalahy dia hoe « mijanona manohy ny andraikiny amin’ny maha-filohan’ny Antenimierampirenena azy i Lahiniriko Jean ».

Ny dikan’izany dia nobedesin’i Chirac Ravalomanana tsy hikitikitika amin’ny toerany an’i Lahiniriko Jean aloha, ary i Lahiniriko jean koa dia tsy maintsy bedy mba hiezaka haneho firaisankina amin’ny fitondrana Ravalomanana. Nanahy ny frantsay tamin’izany sao hanafaingana ny famoizany ny tombontsoany ny fifandroritana tampoka be eo amin’ny samy mpitondra eto nefa mbola tsy vonona hanolo an-dry zareo an’izay olona itokisany i Frantsa.

Ka lasa any amin’izay tranga tamin’ny 2006 izay ny fisainana amin’izao olana eo amin-dRajaonarimampianina sy Ravelonarivo izao . Tsy afenina moa fa samy olo-mahatoky an’i Lafrantsa izy ireo. Ny filoha efa niditra « Franc Maçon » ary Ravelonarivo no nanaovao ny fifanarahana lasitra (accord cadre) tamin’i Parisy, farany teo.

Satria mety mbola tsy nahita olona tena azony antoka hasolo azy roalahy i Parisy dia nasainy notenenin’ny masoivoho Frantsay eto aloha i Jean Ravelonarivo hanambara fa « manga ny lanitra eo amin’ny fiarahanay sy ny filohampirenena miasa ».

Io indray i Lafrantsa.

Faralahy