Niteraka resabe amin’ny tontolom-politika ny fanararaotam-pahefana misy amin’izao fotoana izao. Toa ny vara-datsaka teo amin’ny lafin’ny politika ny fandrenesan’ny maro ny vola omena ity ramatoa antsoina hoe Claudine Razaimamonjy ity. Malaza ho tanan-kavanan’ny filohampirenena ity ramatoa ity, ka dia mandidy manapaka amin’ny fanjakana ankehitriny. Hatrany amin’ny volam-panjakana no anjakazakany ka mahatonga ny olana ara-bola misy amin’izao fotoana izao. Toa matahotra ity ramatoa ity avokoa ny mpiasan’ny minisiteran’ny Vola. Ingahy minisitry ny Vola sy ny teti-bola Gervais Rakotoarimanana toa manao izay tian’ity ramatoa ity hatao amin’ny famoahana volam-panjakana ao. Raha tsy mijery ny fanampiana manokana ho an’ny kaominina ao amin’ny famoaham-bolam-panjakana ny taona 2014

( subvention exceptionnelle- commune-exercice 2014) isika izay namoahan’ny fanjakana vola mitentina 30 miliara ariary, na (150 miliara fmg) ho fanamboarana foto-drafitrasa amin’ny kaominina manerana an’i Madagasikara, dia nomena ity ramatoa Claudine Razaimamonjy ity avokoa ny asa tamin’izany. Ny tena olana amin’ity raharaha ity dia maro tamin’ireo tolotr’asa ao anatin’ny tetik’asa manokana ity no tsy nokasihina sy natao zara fa vita. Vokatr’izany dia ny asa tsy vita, ny vola azon’ity ramatoa ity ambongadiny. Ny asa natao tamin’izany vola izany dia tamin’ny taona 2015 iny avokoa no niatomboka raha ny taratasy eo am-pelatananay izay manamarina ny fisian’ny fanodinkodinana. Voalaza fa ny minisitry ny Atitany no nisolotena ny fanjakana amin’ity raharaha ity satria izy no minisitera mpiahy ny asa any amin’ny kaominina. Miady mafy amin’ny hanaovana praiminisitra an’ity minisitry ny Atitany ity koa ny olona vitsivitsy manodinina ny filohampirenena, raha ny loharanom-baovao azo avy amin’ny olona ao an-dapa ao. Mahakasika ilay vola 30 miliara ariary izay lasan’ity ramatoa Claudine ity dia maro ny olona no mihevitra fa vola izay tokony hividianana 4x4 ho an’ny depiote no navily avy amin’ny minisiteran’ny Teti-bola io ka natao hoe famatsiam-bola manokana ho an’ny kaominina. Izany hono dia hanonerany ny vola laniny tamin’ny fifidianana an’i Hery Rajaonarimampianina iny. Natakalon’ingahy Hery Rajaonarimampianina an’i Claudine Razaimamonjy ny depiote 150 satria ny vola tokony hividianana fiarakodia tsy mataho-dalana ho azy no navily ka nahatonga ny depiote tsy manana fiara hiasany ankehitriny. Mitaky izany hatrany ny depiote hatramin’izao, nefa dia lasa resaky ny moana sy marenina ny azy sy ny filohan’ny repoblika. Raha nomena ny depiote io 30 miliara ariary lasan’olon-tokana io ary nahodina tao amin’ny volam-panjakana dia inoana fa nisy akony ihany tamin’ny fahazoan’ny depiote fiara na dia nampiasainy tamin’ny resaka sosialy any amin’ny faritra misy azy ihany aza izany. Miteraka resa-be ity raharaha Claudine sy ny fitondram-panjakana ity ka dia ho hitantsika ny tohiny.

JB

Depiote Nicolas Randrianasolo: Tsy ekena ny fanakorontanana ataon’i RavalomananaMarc

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ingahy Nicolas Randrianasolo avy any amin’ny distrikan’i Betroka, omaly alarobia faha-06 aprily 2016. Mahakasika ny raharaha politika izay mafampana amin’izao fotoana izao no nasiany resaka tamin’izany. Nambarany tamin’izany fa tsy ekena ny fanakorontanana ataon’ingahy Marc Ravalomanana filoha teo aloha amin’izao fotoana izao. Fantany tsara fa tany tsy ananany « titre » io bodoiny io fa entiny hanakorontanana ny vahoaka malagasy fotsiny. Manainga ny vahoaka malagasy ity depiote mpomba ny fanjakana ankehitriny ity mba tsy ho voarebireby amin’ny fanakorontanana. Tsy mety koa ny fitokonana sy ny fidinana an-dalambe hoy izy. Mahakasika ny minisitry ny Asa vaventy Roland Ratsiraka dia nokianiny mafy koa ity minisitra ity fa olona tsy tokony ho minisitra ao amin’ny governemanta io satria tsy azo itokisana. Momba ny fanovana ny governemanta dia nanambara ingahy Nicolas Randrianasolo fa tokony hosoloina ny governemanta satria tsy mety intsony ny fiarahana ao amin’ny governemanta. Izany anefa dia miankina amin’ny filohan’ny repoblika manokana. Nambarany ihany koa fa zava-dehibe eto amin’ny firenena ny fisian’ny fihaonana an-tampony amin’ny tany miteny frantsay ka tsy tokony hohelingelenina. Milaza hatrany anefa ingahy Nicolas fa raha toa ka tsy mahavita ny asa tokony hataony io fanjakana io hatramin’ny taona 2018 dia tsy homba azy intsony izy.

Nangonin’i

Jesy Rabelaolao