Nijoro nanohitra ny tetik’asa nofaritan’ny fitondram-panjakana hanaovana ny eny Andohatapenaka indray Ingahy Ravalomanana tamin’ity herinandro ity. Isan’ny toerana nofaritan’ny fitondram-panjakana ankehitriny hanorenana toerana ho fitobian’ny fiara mpitatitra mankany amin’ny faritany (stationnement des taxis-brousses) mantsy izy io. Ny talata teo no nikasa hanomboka ny dingana rehetra teny ny tomponandraikitra ka ren’ingahy Ravalomanana izany ka indro izy tonga teny, ary nanararaotra ny zava-nisy hanaovana fampielezan-kevitra politika. Nolazainy moa fa azy ny tany nefa tsy noraharahiana izy tompony. Ny tsy azo hadinoina kosa aloha ary tsy maintsy ampahafantarina ny besinimaro, indrindra ny tanora dia ny hoe « hay ve tsapan-dRavalomanana ihany izany iharan’ny fanamparam-pahefana izany ? »
Izahay aloha tsy manome rariny an’izany mihitsy na iza na zovy manao azy fa te hampahatsiaro an-dRavalomanana izahay hoe « hay ve tsapanao tsara ny hirifirin’izany ianjadian’ny fanamparam-pahefana izany». Mba ampahatsiahivo ny vahoaka amin’izao fotoana kely tokoa, hoe r’ingahy Ravalomanana, ny nanaovanao an’ireo mponina namboly tamin’iny faritr’Andohatapenaka iny raha nanototra an’iny tany iny ianareo fony nanana fahefam-panjakana! Tsaroanao ve fa fotsimbary iray kitapo sy tsaramaso maina folo kilao raha nisy, arakarany, no nomenao ho sandan’ny tanin’olona norobainao teny, dia ankehitriny ianao milaza fa ianao no tompon’ny tany ? Raha misy onitra tokony haloan’ny fanjakana dia amin’ireo tompon’ny tany nofetsifetsen-dRavalomanana sy nampihorohoroiny tamin’ny fotsimbary sy tsaramaso, ka aleo sokafana indray tokoa aloha ity resaka ity dia ny vahoaka no mitsara e !
Ailika tsy omena ravin’avaratra eo koa ny fitondrana Hvm mpanao rapadango fa tsy mendrika.