Rehefa mandinika ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana ny tena ary miezaka mampitaha ny akon’ny tranga eo anivon’ny fiainam-piarahamonina hatramin’izay, dia lasa fisainana hoe « raha tamin’ny andron’ireo tia tanindrazana tamin’ny fanjanahan-tany re no niaina fahasahiranana lalina toa izao manjo antsika izao ry zareo, moa ve tena mbola afaka niharitra izao fa tsy ho nitraotra ? Dia mbola mitoetra koa izany fanontaniana izany raha ny vahoaka tamin’ny Repoblika voalohany no nianjadian’izao fahasahiranana sy jadona henjana izao. Azo antoka aloha fa tsy ho nanaiky hiaritra toa izao ny tia tanindrazana tany ambadiky ny 60 taona lasa tany e! Ary tsy ho nahazaka niandry roa taona toa izao ny vahoaka tamin’ny Repoblika voalohany raha ry zareo no nianjadian-javatra toa izao.
Tsy midika akory anefa izany hoe « tokony efa hitraotra ny vahoaka ankehitriny ». Tsy maintsy misintona lesona koa anefa fa tsy mety ny manentan-tsy ritra. Tsy mahasoa ny mandeha an-jambany.
Ny isan’ny lesoka tamin’ny hetsi-bahoaka hatrizay tokoa aloha, ary mahamailo ny amin’izao fotoana, dia noho ny tsy fisian’ny rafitra politika manana lamina sy fomba fiasa matotra. Hany ka mora tamin’ny mpanjanatany frantsay ny nampiditra ny olony tao anatin’ny fitarihana ny hetsi-bahoaka teto, dia niverina hatrany ny lesoka hatramin’izay fa tsy nisy mba fihatsaram-piainam-bahoaka izany. Ny antony dia baiko tokana hatrany no nampiharina teto na tamin’ny Repoblika voalohany na repoblika faharoa na Repoblika fahatelo na ny amin’izao fotoana. Samy fiankinan-doha tamin’ny any ivelany.
Tsy hangina mandrakizay aloha ny vahoaka na inona na inona fahadisoan’ny mpitantana ny firenena taorian’ny hetsi-bahoaka nitranga teto. Izahay dia mahatsapa fa tsy ny hetsi-bahoaka nandravana ny jadona sy nikatsahana fiarenam-piainana mbamin’ny fiandrandrana fivoarana sy fandrosoana no fositra teto fa ny fitantanana ny firenena taorian’ny hetsi-bahoaka.
Noho izany, aoka tsy ho ambakan’ny tany aloha tany isika andiany amin’izao fotoana eo amin’ny fiheverana ny ho avin’ny taranaka sy ny ho fihatsaran’ny fiainantsika velona amin’izao fotoana.
RAlay