Tamin’ny faha-19 martsa 2016 lasa teo no nitranga ity fampiharana ny dina, izay antsoina hoe “dina avotra” izay ampiharin’ny mponina any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy ity. Teren’ingahy Ramarovahoaka hanonitra ny akohony iray tapaka noho ny fihinanana ny volin’i Ramatoa Ravaonarivo Marie Esther sy ny zanany lahy antsoina hoe José Rasalama Andriamiadana, vola mitentina 5 alina sy 5 hetsy ariary na « 2 500 000fmg) ireto olona ireto satria hono nitoraka ny akohony izay nihinana ny voliny. Nampiantso ny mpanao dina ity Ramarovahoaka ity satria hono tokony handoa vonodina ireto olona roa ireto. Raha ny loharanom-baovao azo avy amin’ity tanànan’i Tsinjoarivo ity , dia ny vadin’ity ramatoa toriany ity no nametraka ity Ramarovahoaka ity hipetraka eo amin’ny tanin’izy ireo, ary tsy nampandoa vola azy na ariary aza hatramin’izao. Nifanolobodirindrina noho izany izy ireo ary nifanila koa ny tanimboly. Rehefa tsy teo intsony ny vadin’ity ramatoa ity dia mieritreritra ny haka ny tanin’ireto olona ireto ity Ramarovahoaka ity. Manana fifandraisana manokana amin’ny mpikarakara ny dina izy ka izao nanampatra fahefana izao ka izao nampiantso ny mpanao dina izao rehefa tapaka ny tongon’ny akohony. Raha ny loharanom-baovao ihany dia tsy ireto olona mianaka ireto no nanapaka ny tongotry ny akohony. Ny fahitany ny akohony tapa-tongotra teo an-tokotaniny no ilazany fa ireto mpianaka ireto no namono ny akohony. Avy hatrany dia nataon’ny mpanao dina ny fitsarana ka lamandy io voalaza io no azon’ireto olona mianaka ireto. Voalaza koa fa raha tsy mandoa io vola io izy mianaka ireto dia homena an’ingahy Ramarovahoaka ny tanin’izy ireo. Hoentina ao amin’ny foiben’ny dina avotra ao Tsiroanomadidy ity raharaha ity ka dia ho hitantsika ny tohiny. Izany sy izany no fomba fampiharana ity dina ity ka hita taratra amin’izany ny fanararaotana atao amin’izy ireny izay tsy mety sy tsy mifanaraka amin’ny lalàna. Natao ho fanararaotana sy fampiasan-kery ary fanambakana no iafarany toa izao mitranga ao Tsinjoarivo izao. Ny fanararaotana toa izao mazana no mahasimba ny fiarahamonina sy ny fahendrena malagasy. Samy miseho hampiasa fahefana avokoa izay olona mahazo fahefana amin’izao fotoana izao na ny mpanao politika na ny manampahefana na koa ireo mpahay lalàna.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao
Seranam-piaramanidin’Ivato: Namidy amin’ny sinoa indray fa lasa ny frantsay ?
Tranga iray niteraka lonilony sy tsy fankasitrahana ny fitondram-panjakana ankehitriny ny nahenoana fa nomena ny frantsay ny seranam-piaramanidin’Ivato sy Nosy Be. Tsy nisy Malagasy na iray aza ka mitempo fitiavan-tanindrazana ka nanome rariny ny fitondrana Rajaonarimampianina tamin’izany satria dia voasokajy ho isan’ireo fivarotan-tanindrazana maro loha nataony nandritra izay 2 taona mahery kely nangejan’izy ireo ny fahefam-panjakana izay ny momba ireo seranam-piaramanidina iraisam-
pirenena ireo. Iray amin’ireo teboka notoherin’ny maro tamin’izany tokoa moa ny fanomezana ny seranam-piaramanidina iraisampirenena eny Ivato ho an’ny Frantsay amin’ny alalan’ny “ADP” na “Aéroport De Paris”.
Nivelesana daba teto an-toerana ny lanonana nenti-nanombohana ny asa tamin’ny fotoan’ andro.
Ankehitriny, asa na natao toa ny varotra indroa miantoana ity seranam-piaramanidina malagasy ity na navesatra loatra ny vaikan’ny kolikoly avo lenta tany ambadika tany na mba nahomby ny varo-draikiraiky ny sasany, fa re omaly ny fahalasanan’ireo frantsay avy amin’ny “ADP”, tsy hanohy intsony ny asa.
Vondrom-barotra sinoa no fantatra fa neken’ny fitondrana Hvm hamita ny tetik’asa izany izao, raha ny akom-baovao. Tetik’asa izay tafiditra amin’ny ho fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia, hono.
Midika ve izany fa nampiasan’ity vondrom-barotra sinoa ity kolikoky avo lenta ny nahazoany ny asa ? Maro aloha ny nahita tamin’ny herin’ny androany fa nisy mpandraharaha sinoa tonga nitondra fanomezana goavana be mifono tsara tarehy tao amin’ny trano fiasan’ingahy Rivo Rakotovao etsy Anosy, ary nahaloa-bolana an’ireo mpiasa tao sy ireo olona maro nangataka fihaonana taminy tao ka nampiandrasina, fa nomena laharam-pahamehana ny fandraisana an’ireo sinoa ireo.