Eo anatrehan’ny rivotra politika izay misamboaravoara eto amin’ny firenena, dia nanontany ny hevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena Jean Max Rakotomamonjy izahay. Toa izao indrindra no filazany mahakasika ny fikasana hanala ny praiminisitra Ravelonarivo Jean amin’ny toerany. Aoka hoy izy samy hitandrina ny « pacte de responsabilité » na ny fandraisana andraikitra amin’ny fanatanterahana ny asany avy ny rehetra. Tokony havela hiasa ny filohan’ny andrim-panjakana tsirairay hisian’ny fitoniana ara-politika, sy ny fampandrosoana. Zava-dehibe hoy ingahy Jean Max Rakotomamonjy ny fisian’ny fihaonana an-tampony amin’ny tany miteny tanteraka na ny ampahany ny teny frantsay izay hatao eto amintsika amin’ity taona ity. Toa izany koa ireo fihaonana hafa iraisam-pirenena hatao eto amintsika. Ny fitsipaham-pitokisana ataon’ny depiote amin’ny praiminisitra dia tokony ho amin’ny fotoana’ny fivoriana ara-dalàna no hanaovana izany. Ny lalàmpanorenana hoy izy dia manambara ny fombafomba fanoloana praiminisitra ao amin’ny andininy faha-54. Izany dia milaza fa soloina ny praiminisitra raha toa ka nametraka fialana, na nisy fahotana lehibe nataony, ary tsy afaka miasa intsony izy noho ny fahasalamany. Amin’izay fotoana izay dia manolotra ny anaran’ny olona hotendrena ho praiminisitra any amin’ny filohan’ny repoblika ny antenimierampirenena, ka hisafidianany iray izany. Ireo hoy ity filohan’ny antenimierampirenena ity no fepetra tsy maintsy atao amin’izany.

J.B.

Mandoto: Manjaka indray ny tsy fandriampahalemana

Niverina niharatsy ny fandriampahalemana amin’ny faritra andrefan’i Vakinankaratra distrikan’i Mandoto. Efa hatramin’izay ny laza ratsy ao Anjomà Ramaritinina. Tsy lavitra loatra an’ity Anjoma ity dia misy toerana izay an’ny fiangonana katolika naorin’ny Diosezy Antsirabe ka nametrahany mpifindra monina, toerana nampitondrainy ny anarana hoe Morarano ary misy toeram-piofanana natao ka efa be olona miorim-ponenana sy mitady ravinahitra ao. Mbola tafapetraka ihany ireo olona lasa nifindra monina ao Morarano kanefa dia lasibatry ny asan-jiolahy isan’andro aman’alina sy voaroba matetika. Efa misy mihitsy aza faty olona vokatr’izany asan-jiolahy izany. Araka ny filazan’ny pretra izay miasa ao amin’ity Morarano ity dia vao maraina mifoha amin’ny 6 ora maraina dia efa tonga ny dahalo mamangy azy ireo. Rehefa miasa eny an-tsaha ny olona dia misy voatafika ka lasan’ny dahalo ny omby miasa eny am-panosena tanimbary. Manginy fotsiny ny fandrobana sy fandoroana trano fonenana. Mirongatra indray ny asan-dahalo hatramin’ny volana janoary nankaty ka tena mihamafy izany ankehitriny.

Taorian’ny opération fahalemana 2015 sy ny fampiasana miaramila dia mba nilamina nefa izao nirongatra izao indray.

Miantso vonjy amin’ny faritra Vakinankaratra noho izany ny mponina mba handefa zandary sy miaramila mba hanampy ireo efa any an-toerana satria tsy ampy izy ireo no tsy ampy koa ny fitaovana ampiasaina.

Abel Ratsimbazafy