Nangatsiaka ny fandraisan’Antananarivo ny filoha Rajaonarimampianina omaly teny amin’ny 67 ha, raha tonga nitokana ny trano famakiam-boky sy ny kianja filalaovana basket ball. Azo ambara ho « Antananarivo» na i « Madagasikara » mihitsy i 67ha satria hita eny ny sokajin’olona rehetra manerana ny Nosy.
Io fangahatsiahin’ny mponin’ny 67 Ha io dia midika fa tsy mankasitraka na tsy resy lahatra amin’ny fomba fitantanan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny tany sy ny fanjakana ny mponina.
Vokatry ny efa fahafahantaran’ny HVM ny tsy fankasitrahan’ny mponina ny filoha Rajaonarimampianina izay dia nampiasa mpikarama an’ady indray ry zareo mba hanotrona an’Ingahy filoha teny amin’ny 67 Ha omaly. Tanora nokaramaina 6.000 ariary isanisany miaraka amin’ny solon-tsakafo no nifanarahana, hoy ny tovolahy maromaro navoakan’ny fahitalavitra Viva alina, nefa dia voarirarira izahay hatramin’izao. Efa atoandro be io, efa lasa ireo manam-pahefana. Nambaran’ireo tovolahy maromaro ireo fa « avy amin’ny faritra manodidina An’Antananarivo ry zareo ary renim-pianakaviana eny amin’ny manodidina an-dry zareo no nangonina fa karamaina 6.000 ariary sy omena solon-tsakafo dia ho eny amin’ny 67 Ha.
Izany no ataon’ny fitondrana misora-trena fa hiady amin’ny kolikoly. Ary mahagaga fa hatramin’ny nanombohan-dry zareo nandray fahefana io ! Heverina fa tsaroantsika ilay fankalazana ny fetim-pirenena tamin’ny 2014, ka nokaramaina 2.000 ariary ny mpianatra isanisany hitondra ny ray aman-dreniny hameno ny « Gradin » teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina.
Nampiasa mpikarama an’ady avokoa ange ireo mpitondra niseho azy ho mbola mamim-bahoaka teto na ny Amiraly Ratsiraka na Ravalomanana rehefa miseho ny fotoana ahatsapan-dry zareo fa manomboka iatahan’ny vahoaka ry zareo e ! Ireny anefa no nihafarany avy ka hanara-dia an’izy ireny koa izany Ingahy Rajaonari-
mampianina ?