Asa na noho ny fanovana ny governemanta efa nandindona be na ahoana fa dia voamarika teo alohaloha fa tena nihetsiketsika be daholo ireo minisitry ny governemanta Ravelonarivo. Tao ny nanamboatra lalana haingana, na dia any amin’ny tsy anjara asany aza; tao ny nihazakazaka nitsidika tany amin’ny “tany lavitra andriana” izay tsy noraharahiana hatramin’izay; tao ny namoaka vinavinan’asa tampoka, sy ny sisa ê…

Anisan’ireny “nisongadina” ireny ireo ao amin’ny departemanta misahana ny fampianarana, na ny ambaratonga ambony izany na koa ny ao amin’ny Fanabeazam-pirenena. Samy manana olana avokoa izy ireo, toy ny karaman’ny mpiasa tsy voaloa tao anatin’ny volana maro, ny vatsim-pianarana, ny fitsinjarana ny tranon’ny mpianatra, sy ny sisa… kanefa tsy nisy afaka ny niatrika ireo mivantana an’ireo “manana olana” ireo koa dia tany an-kafa no namokovoko, “niseho ho nilay”, araka ny fitenin-jatovo. Asa na nifanaraka izy ireo fa dia nitovy, tsy nisy hafa, ny vinavinan’asa nentina “niseho”, dia ny momba ireo toeram-pampianarana tsy miankina izany.

Ela ihany no naha minisitra nisahana ny “fampianarana” an-dry zareo roa ireo kanefa toa “nangina” hatramin’izay fa tato anatin’ny fotoana fohy izay, tapabolana teo ho eo, dia “nahagaga” fa indreo toa taitra tampoka tamin’ny torimasony ka nitsikera sy nampitandrina an’ireo toeram-pampianarana tsy miankina. Firy taona tokoa no efa nijoroan’ny ankamaroan’ireo toeram-pampianarana ireo, ary iza no tsy nahare ny “dokam-barotra” isan’andro alefan-dry zareo any amin’ny hainoaman-jery samihafa, na ny any amin’ny ambaratonga ambony izany na ny aty amin’ny Fanabeazam-pirenena, kanefa dia navela nandeha fotsiny izany rehetra izany, navela nanao ny “asany” nalalaka izy ireo. Efa nisy ihany koa ny “fanairana”, natetika, natao teto amin’ity sehatra ihaonantsika ity fa… tsy nisy niraharaha izany. Voatanisa teto na ny sekoly tsy manana toeram-pidiovana sy fivoahana; ny sekoly tsy manana tokontany malalaka ho amin’ny fakan-drivotra; ny sekoly miorina eo amoron-dalana ivezivezen’ny taxi-be sy ny tabatabany; ny sekoly manakaiky tsena sy mpivarotra zava-pisotro maha mamo, sy ny sisa ê… fa tsy fantatra ny antony tsy nandraisana andrikitra tamin’izany.

Ankehitriny izao àry dia navoaka ny fampitandremana fa hakatona atsy ho atsy ireny toeram-pampianarana ireny raha toa ka tsy mahavita ny mampanaraka ny fenitra takiana amin’izy ireny ny mpitantana azy. Tsara tokoa izany, satria aleo diso aoriana toa izay tsy hatao mihitsy, saingy… tsy any amin’ny sekoly tsy miankina irery ihany ange ny “tsy mety” no hita ê. Tokony handinika ny eo ambany fifehezany ireo minisitra roa misahana ny Fampianarana ireo vao mitsikera sy mampitandrina ny any an-kafa. Mba manao ahoana moa ny any amin’ireny sekoly sy toeram-pampianarana tantanin’ny minisiteran’izy ireo ireny ê ?... Manaraka ny fenitra ve ny hoe misy efa hatrany amin’ny 80 mpianatra mahery ny ao an-dakilasy? Manaraka ny fenitra ve ny sekoly tsy misy rindrina no sady tsy misy dabilio any “lavidavitra” rehetra any ireny ? Manaraka ny fenitra ve ireny mpampianatra “Ramose daba” izay mandray vola latsaky ny karama farany ambany noferan’ny lalàna ireny? Sy ny sisa tsy ho voatanisa ê…

Maro tokoa no tiana hitanisaina, saingy tsy ho vita izany na ho rahafak’ampitso, araka ny fitenenana aza. Mbola naverin’ny mpitantana eo amin’ny toerany moa izy ireo ka tsy maintsy ambara ny hoe aza manao ambany maso tsy hita ry minisitra isany fa mba diovy aloha ny ao an-tokantranonareo vao mitsikera ny an’ny hafa ianareo… dia izay !

Lalou