Herin-taona katroka izao no vita ny atrik’asa fandravonana an’ireo hevitra nivoitra nandritra ny taona maro, momba ny fandrafetana fehezan-dalàna momba ny tontolon’ny serasera. Tamin’izay fotoana izay dia nifanarahan’ny rehetra, ary nanome toky ny ministeran’ny Serasera fa hampidirina ho isan’ny hodinihana sy hakana ny fankatoavan’ny Antenimieram-pirenena amin’ity fivoriana ara-potoana voalohany (May 2015) ity izao volavolana tolo-dalàna izao. Niandry ny maro fa tsy nisy. Narahi-maso indray tamin’ny fivoriana ara-potoana faharoa tamin’ny taon-dasa, fa tsy hita.
Ny tolo-dalàna hafa nalefa teny amin’ny Antenimieram-pirenena nandritra ireo fivoriana ara-potoana roa ireo anefa vitsy ihany, ary nahafahan’ny depiote nandinika tsara an’izy io fa ny fitondrana foibe mihitsy no tsy nadefa azy. Ny antony tsy fantatra.
Tampoka teo anefa, indro nanambara nadritra ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra farany teo ny filohampirenena fa « ho isan’ireo tolo-dalàna hodinihin’ny Parlemanta amin’izao fivoriana ara-potoana voalohany amin’ny volana may izao io tolo-dalàna momba ny serasera io.
Taitra ny maro hoe « fa nisy inona tampoka ? » Maro ny manana ahiahy hoe « sao lahy ka nisy fanovana nataon’ny fitondrana HVM hanamafisany hatrany ny fangejana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety amin’izy io, ka izay vao vita dia indro fa hatolotra ny Parlemanta tampoka. »
Dia indro ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Gérérd Rakotonirina, fa lasa mpitondra tenin’ny governemanta HVM amin’ny fankasitrahana an’izany, tsy nametraka fanamarihana sy ahiahy ka mampitandrina sao sanatria nisy ny novaina tany ho any.
Mahavariana mihitsy ny fihetsik’ity filohan’ny holafitry ny mpanao gazety ity fa toa miaro hatrany ny fitondram-panjakana Hvm isaka ny miresaka asa fanaovan-gazety, ary mody miseho ho mpanome lesona ny mpanao gazety hatrany ka ambentin-teniny isaka ny misoka-bava ny hoe « rehefa manaraka ny « ethique sy ny déontologie » ianareo dia tsy misy ahiana.
Dia mba misarika ny sain’Ingahy filohan’ny holafitra izahay hoe « tena manaraka sy manaja ny « ethique sy ny déontologie » ve ianao nefa ny gazety Basy Vava tantaninao aza isanadro dia resaka vetaveta mamoa-fady sy tsy manaja ny soatoavina malagasy hatrany no aparitany ho an’ny vahoaka ? Sa rehefa vola dia izay ?
Tsotra ny resaka e ! Raha tena miaro ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny filohan’ny holafitra dia mila manao fanamarihana sy fampitandremana ny governemanta fa tsy hanaiky raha misy fanovana ny voarakitry ny atrikasa hatramin’izay, indrindra fa fanovana mankany amin’ny fanamafisana ny fanakendana ny fanaovan-gazety. Tsarovy fa tsy ny fanafoanana ny fanagadrana mpanao gazety ihany no notakiana teto fa maro ny teboka ikendren’ny mpitondra fanjakana anakendana ny mpanao gazety ka tandremo sao tsy mifankahazo ny hevitsika.
D.R.