Ho an’ireo fatra-piankohoka amin’ny fiandrandrana valim-bavaka amin’ny famatsiam-bola avy amin’ny sehatra iraisampirenena dia mety mbola ho diso fanatenana ihany indray ianareo amin’izao fotoana satria resy lahatra ny fianakaviambe iraisampirenena amin’izao fotoana fa tena isan’ny nampiroboro ny kolikoly eto Madagasikara ny fitondram-panjakana Rajaonarimampianina. Fantatry ny vahiny mamita iraka eto izany ary tsy misy miafina amin’ireo masoivoho vahiny miasa maharitra eto. Ny Praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana moa amin’izao izy vao niakatra hitarika ny governemanta izao dia noeritreretin’ny olona sasany fa hitondra fanovana tokoa ka hametraka ho isan’ny laharam-pahamehany ny ady amin’ny kolikoly, saingy tamin’iny faran’ny herinandro teo iny dia nisy sehatra nahitana diplaomaty maromaro miasa eto. Fihaonana ara-pirahalahiana sy ara-pianakaviana ihany izy io, saingy nahitana taratra ny tena any anatin’ny fieritreretan-dry zalahy.
Marina aloha, amin’ny endrika ivelany ara-pomba ofisialy fa miezaka tsy mampiseho mihitsy ry zareo hoe miditra amin’ny
raharahan-tokantranon’i Madagasikara, saingy rehefa any amin’ireny sehatra manokana tsy ofisialy ireny, rehefa miaraka any amin’ny toeram-pialam-boly na fisotroana kafe… Dia hita sy tsapa fa tena miresaka ny ao am-pony ry zareo.
Isan’ny nivoitra tamin’ny resak’izy ireo ny hoe « miroborobo ny kolikoly eto Madagasikara ary ny mpitondra fanjakana no isan’ny tena manome vahana sy ahitana azy io, ary ny praiminisitra vaovao Olivier Mahafaly dia isan’ny tena voapaingotra amin’ny antontan-taratasy maro amin’ny fanaovan an’io kolikoly io. Nivantana mihitsy ry zareo fa « sarotra ho anay ny hatoky tompon’andraiki-panjakna mpanao kolikoly toa izany satria mba manana ny tanjonay amin’ny hisian’ny asa mivaingana amin’izay vatsianay vola koa izahay ».
Ny tsikaritra aloha dia mody mihatsaravelatsihy amin’ny avhoaka malagasy ireo mpamatsy vola sy firenen-dehibe ireo, ka mampiseho fihetsika hoe « miara-miasa sy matoky ny mpitondra », saingy amin’ny sehatra ahitan-dry zareo tombontsoa dia ampanakoakoiny mihitsy izany ary ivelezany daba aza, voiziny amin’ny alalan’ny fampalalam-bnaovao isan-karazany, fa ny ankoatra izay dia tsy mankasitraka ny fihetsiky ny mpitobndra amin’io kolikoly io ry zareo, ary nivaky an’izany mihitsy tamin’io fihaonana tamin’ny faran’ny herinadro io.
Nomarihin’izy irero fa ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampanjakana ny fanjakana tan-dalàna no tena fepertra mahasarotiny anay amin’izao fotoana nefa ireo no tena hitsakitsahin’ny mpitondra fanjakana malagasy ka malahelo izahay milaza fa tsy afaka hanampy an’i Madagasikara amin’ny fihetsika toa izany. Izany anefa, hoy ry zareo tsy midika fa ny fanampiana amin’ny maha-olona koa dia hotapahina. Ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra ivelan’ny fanjakana amin’ny tetik’asa anampiana ny maha-olona sy ny olom-pirenena no tena ifotoranay izao, hoy ry zareo, fa mbola manahirana ny manome fitokisana ny mpitondra eto.