Vaovao tsara re omaly ho an’ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fitsarana manao fitokonana ny hoe tsy maintsy ho voavaha ato anatin’ny folo andro, raha ela indrindra, ny olan’ny mpandraharahan’ny fonja sy ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana. Vaovao tsara, tsy ho an’izy ireo ihany fa ho an’ny manan-draharaha rehetra eny amin’ny tribonaly ihany koa, izay “naharary” loatra satria tokony ho nandalo fitsarana kanefa dia voatery miandry ho amin’ny “fotoana tsy fantatra” noho ireo fitokonana ireo. Na izany na tsy izany anefa dia misy amin’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena no manana ahiahy ny amin’ny hoe sao, sanatria, ka manao fanisan’andron’ny filohampirenena io minisitra vaovao io ka ny telo hatramin’ny enim-bolana nampanantenaina ho namahana ny olan’ny delesitazy dia io mbola tsy tapitra hatramin’izao io. Enga anie mba tsy ho izany tokoa ê…

Tsy ireo mpiasa manao fitokonana ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana ihany anefa no manandratra izany “enga anie…” izany fa ireo mandray vola amin’ny fanjakana rehetra mihitsy koa. Raha mba “tafita” tokoa mantsy ny fitakiana ataon’izy ireo, inona no manakana ny hafa tsy hanaraka ny nataon-dry zareo koa ê?...

Samy sahirana noho io resa-bola amin’ny fanjakana io, amin’izao fotoana izao, ny voakasik’izany rehetra, fa na ny karama, na ny tambin-karama, na ny vatsim-pianarana, sy ny sisa, dia efa “ady mafana” vao azo kanefa dia kely sy tsy mahefa na inona na inona akory. Tsy misy tsy mahalala fa kely karama ny mpiasampanjakana, na ny nahavita fianarana ambony na ireo “salantsalany”, ary raha mba nanondrotra izany ny mpitondran’ny Repoblika fahefatra dia zara raha 7,5% no mba foiny, izany hoe kely noho ny nomen’ny mpitondra faha tetezamita. Tsy lazaina intsony ny amin’ny tambin-karama sy ny fiahiana ara-tsôsialy, sy ny sisa… izay saika mbola ny sandan’ny tamin’ny fotoanan’ny Repoblika voalohany ihany no mbola ampiharina hatramin’izao. Azo raisina ho ohatra amin’izany ny tambin’ny fitsarana fanadinan’ny mpampianatra any amin’ny Fanabeazam-pirenena izay sady efa kely no aty amin’ny herintaona aty aoriana vao voaray, raha haingana indrindra. Ao ihany koa ireo mpampianatra Fram izay efa ho isaka ny enim-bolana vao mandray an’ilay “karama”. Ilay karama izay kely lavitra noho ny ny farany ambany noferan’ny… fanjakana. Tsy ny ao amin’ny fanabeazam-pirenena ihany anefa fa fantatry ny rehetra ihany koa ny olan’ny mpampianatra mpikaroka, sy ny sisa ê…

Manana ny azy koa ny any amin’ny Fahasalamana any fa marobe ny dokotera mpitsabo mimenomenona amin’izany “intéressement”, tambiny tokony ho azon-dry zareo kanefa mirirotra elabe ny fandoavana azy, izany. Ao ny “Internes”, mpianatra ho dokotera efa hivoaka ka miofana sy mianatra asa eny amin’ny hôpitaly, izay efa mitokona ihany koa satria efa am-bolana maro no tsy nahazo ny “tambiny” tokony ho noraisin-dry zareo. Dia mbola any koa ny mpiasan’ny Rano sy Ala, ny miankina amin’ny Atitany, sy ny sisa ê…

Ireo rehetra ireo dia miombom-bavaka amin’iretsy mpiasan’ny Fitsarana amin’ilay hoe “Enga anie…” miombom-bavaka ny haha tanteraka ny famahana ny “olana” izy ireo, satria raha vita tokoa moa ny mamaha ny an’ireo mpiasan’ny Fitsarana ireo, nahoana no tsy mba hitaky ny toa izany koa ireo any amin’ny minisitera hafa, indrindra amin’izao governemanta vaovao mampanantena fa “hiady” izao?...

Koa ny fanontaniana àry dia ny hoe ho ny mpiasan’ny fanjakana iza indray no ho manaraka ê?... Asa!

Lalou