Mbola ivon’ny adihevitra eto amin’ny tany sy ny firenena hatrany koa izao ny momba ireo nosy malagasy bodoin’i Lafrantsa ao amin’ny lakandranon’i Mozambika.

Misy ny miandrandra ny hiresaka an’io olana io amin’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban-ki Moon, amin’ny fandalovany eto Madagasikara amin’ny faha-10 Sy faha-11 may ho avy izao. Misy koa ny mihevitra fa mbola tokony hoentina hodinihana sy hakana fehin-kevitra vaovao eo anivon’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana io raharaha iray io. Ny fitondrana ankehitriny moa no toa isan’ny tompon-kevitra amin’io fandinihina indray eo anivon’ny Firenena Mikambana an’ity resaka Nosy malagasy ity.

Ny otrikafo, tamin’ny alalan-dRajaonah Andrianjaka, dia nanipika fa « tsy maninona raha resahina amin’ingahy Ban-ki Moon amin’ny fandalovany eto io teboka iray io saingy tsy any aminy no mipetraka ny tena olana fa any amin’i Lafrantsa izay tsy mety miala ao. Ny filoha frantsay, François Hollande sy ny filoha malagasy Rajaonarimampianina izany no tokony hifampiresaka amin’izy io, hoy Rajaonah Andrianjaka, saingy efa fantatra hatrany am-boalohany fa tsy hanana finiavana sy fahavitrihana ho amin’izany i Hery Rajaonarimampianina satria matahotra an’i Lafrantsa izay manao azy ho saribakoky. Tsy hanana ny rariny hitaky an’i Frantsa hiala amin’ireo Nosy ireo koa i Hery Rajaonarimampianina, hoy hatrany ny mpitarika ny Otrikafo, satria mpitondra tsy ao anatin’ny lalàna misy eto Madagasikara intsony izy (Hors la loi). Ny fanalana an-dRajaonarimampianina sy ny fitondram-panjakana tarihiny no vahaolana iray amin’ny dingana voalohany hahafahantsika mamerina an’ireo Nosy ireo ho antsika malagasy, hoy Rajaonah.

Etsy ankilany, fahadisoan’ny lehiben’ny diplaomasia malagasy koa, hoy hatrany Rajaonah Andrianjaka ny fanekena na fangatahana ny hampidirana ho isan’ny lahadinika eo anivon’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana an’io raharaha « Nosy malagasy » io satria sarotra ny hanantena fa ho maro toa ny tamin’ny taona 1979 no hanohana antsika malagasy amin’izany.

Tsarovy, hoy hatrany Rajaonah Andrianjaka, fa ny Pr Ranjeva Raymond, no nadrafitra an’iny fehin-kevitry ny Firenena Mikambana tamin’ny 1979 iny ka nahazo ny fankatoavan’ny maro an’isa teo anivon’ny Firenena Mikambana. Ny antony, hoy ihany Rajaonah Andrianjaka, dia tamin’izany fotoana, mbola nafonja ny firaisankinan’ny samy tany aty amin’ny vondron-tany tatsimo ary nanana ny lanjany ny firaisankinan’ny vondron-tany tsy nomba ny tandrefana ary tsy nirona tamin’ny tatsinanana, tamin’izany. Izay ny tontolo politika iraisampirenena tamin’izany na ny antsoina hoe « géo-politique », hoy ihany ny mpitarika ny Otrikafo. Fa amin’izao fotoana, efa miova io tontolo mamaritra ny rafitra iraisampirenena amin’ny raharaha politika io, hoy izy. Efa misaratsaraka be ihany ny samy tany tatsimo, ary tsy manana ny feony tokana na tsy afaka mampiray feo intsony ny vondron-tany tsy momba ny atsy na ny aroa.

Tsy hahavita noho ny vitan’ny pr Ranjeva Raymond tamin’ny 1979 mihitsy, noho izany, ny fitondrana ankehitriny, hoy ihany Rajaonah, amin’ireo Nosy malagasy ireo, fa ny fanafodiny sy ny azo antoka hahitana fahombiazana dia ny manaisotra an’ireo manam-pahefana malagasy amin’izao fotoana amin’ny toerany satria ireo dia tsy ho afaka hitarika ny vahoaka hitaky ny fialan’i Frantsa izay mamahatra amin’ireo Nosy ireo.