Nabaribarin’ny vondron’ny firaisamonim-pirenena « Rohy » ny maha-tsindrilentam-pahefana azy ireo, ary nasehony ho fanta-bahoaka omaly fa manara-maso akaiky ny toe-draharaham-pirenena ny fiaraisamonina politika fa tsy mitazan-davitra araka ny fiheveran’ny olona sasany azy.

Omaly dia nopotsirin’ny « Rohy » fa « mikatso ny fiainam-pirenena ary tsy hita soritra ny ambara ho fampandrosoana fa zary manao izay saim-pantany sy izay danin’ny kibony fotsiny avokoa ny mpitondra fanjakana isan-tokony ».

Tsy nohadinoin’ny « Rohy » koa ny nampibaribary an’ireo endrika isehoan’ny tontolom-piarahamonina mikorontana sy tsy miantoka ny fivelarana sy ny fivoaran’ny fiainam-bahoaka. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana, hoy ny « Rohy » ary manjaka ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Manampin-tsofina amin’ny fitarainan’ny vahoaka ny mpitondra, hoy ihany ny « Rohy », ary apetraky ny mpitondra fanjakana ho tarigetra amin’izao fotoana ny fanaovana kajikajy maloto hiandrandrana tanjona politika any amin’ny taona 2018 any. Ireo mpanolotsaina manodidina ny filohampirenena no zary mibaiko azy amin’izay ataony nefa dia baiko mitondra ny firenena mankany an-kady no ataon’izy ireo, fa ny tombontsoany manokana hatrany fotsiny no mahamaika an-dry zareo.

Isan’ny navoitran’ny « Rohy » ny fitiavan-tenan’ny mpitondra izay hita amin’ny fampiasana tafahoatra ny kinamanamana sy ny kolikoly mahakasika ny seha-panjakana rehetra. Tsy nohadinoin’izy ireo koa (Rohy) ny nanipika fa « tsy mbola matotra ny mpitondra ary mihalatsa-danja ny andrim-panjakana ambony, izay zary lasa henatra ho an’ny vahoaka malagasy rehetra izany.

Tsy nohadinoin’ity vondron’ny firaisamonim-pirenena ity koa ny nampisongadina ny fandroahana sy famindran-toerana an’ireo mpiasampanjakana ambony izay mba mijoro ka manelingelina ny tombontsoa manokan’ny mpitondra.

Nabaribarin’ny Rohy koa ny fisian’ny kolikoly avo lenta tamin’ny fampitsaharana tamin’ny asany ny filohampirenena teny amin’ny Antenimierampirenena sy ny latsa-bato handravana ny governemanta teny.

Notsiahivin’ity vondron’ny firaisamonim-pirenena ity fa « nomena sy nampindramina fahefana ny mpitondra ka tokony hanao tamberin’andraikitra amin’ny fanaovana vaindohan-draharaha ny tombontsoan’ny vahoaka. Ny olom-panjakana mendrika mantsy, hoy ny Rohy, dia misaina ny ho avin’ny firenena sy ny taranaka fa ny mpitondra dia tsy mikendry afa-tsy ny fifidianana amin’ny 2018.

Dia hodian-tsy hita ve, hoy ihany ny fanampim-panazavana omaly, fa tsy mitsaha-mitotongana ny fiainam-pirenena, ary tena karazan’ny kivy sy very fanahy mbola velona ny vahoaka satria toa tsy manan-kianteherana. Sady mihamahantra no mihaosa isanandro ny vahoaka, hoy ihany ny « Rohy », noho ny tsy fisian’ny politikam-pampandrosoana sy sosialy tena maharitra sy hahazoan’ny vahoaka tombony mivaingana, nefa ny firenentsika dia manan-karena izay tsiriritin’ireo vahiny fatratra.